Tafakatra kianja tetsy amin’ny Magro Behoririka ny solontenan’i Manalalondo izay mamita iraka aty amin’ny QG amin’ny fandaminana ny fiatrehana ny fampielezankevitry ny kandidà Dr Robinson Jean Louis. Nahita ny zava-misy taty an-toerana izy ka nampitony ny mpitolona rehetra efa niaritra ny 4 taona mahery teto amin’ity kianja ity mba tsy ho tezitra amin’izay olona iray na roa mety hitondra fanafintohana. Ny tonga eto an-kianja arahabaina, hoy izy, ary ireo tsy tonga mbola ho avy izy fa aza manahy. Marina, hoy ity mpitari-tolon’i Manalalondo ity fa iharan’ny fahasahiranana tahaka ny Malagasy maro isika fa tsy tato amintsika no nahatonga izany fa ny fitondrana tetezamita ankehitriny no nampahantra ny vahoaka Malagasy tsy an-kanavaka. Ireo no tena nampahantra antsika.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.