Nahitsy ny tenin’i Nenifara avy eny Andrefan’Iarivo mikasika ny mpitandro ny filaminana eto amintsika.
Nolazainy fa mpibizina ka mahazo tombontsoa manokana satria sady tsy tapaka karama koa amin’izany. Ho maramara hoy izy, ny fifidianana satria tsy mazava ireo mihazakazaka hilatsaka. Tao anatin’ny kongresiny aza misy milaza fa nisy ny hala-bato nefa izy samy izy. Ilay mpanenjika vahoaka madinika no kandida Tgv, hoy i Soarano. Samy mandeha samy mitady izao ianareo. Misy fanerena mpiasam-panjakana ambony ataona kandidà efa nanatitra filatsahana teny amin’ny Hcc hanohana azy sahady izao, hoy ny Ct Manoela ary misy sonia mihitsy manamarina izany. Naneho ny ahiahiny ny amin’ny biletà tokana kosa ny Ct Mamy Tiana fa efa mandeha koa ny kajikajin’ny kandidàm-panjakana ny amin’io. ary hiady ny haino amanjerim-mpanjakana koa ireo atsy ho atsy.
Ho sampona ny fifidianana satria ilay filohan’ny FFM aza vao androany no mipetraka nefa ny fanaterana dosie hilatsahana efa nisy nanao. Dia alefa koa ve izany ny fifidianana dia avy eo vao hampiarina ny tondrozotra? Sarety mandeha alohan’ny omby izany. Hafahafa tanteraka toy ny fahanginan’ny Sadc. Fampiarana ny ara-dalana (FDR) sa ny tsy ara-dalana ? Ho fatiantoka foana ny vahoaka Malagasy. Ny tanjona nitolomana 4 taona dia ny famerenana ny filoha Marc Ravalomanana, hoy ny CT Horace, ela izany nefa mbola eo ihany ary tsy nisy nampihontsona antsika satria nosintomina tamin-kery ny safidintsika. Arosoy ny hevitra hoe fananganana ny TIM federaly hoy i Jean Claude avy any Vonizongo fa tamin’ny andron-dRavalomanana vao afaka fiara tsotra ny faritra any aminay.
RHR
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.