Somary malomaloka tahaka ny andro, omaly, ny ambiansa tetsy amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka.
Vaovao mampalahelo rahateo no nisongadina voalohany dia ny tsy fahasalamana mahazo ny mpitari-tolona avy any Brickaville, ny CST Leriva Manahirana izay voalaza fa “Sous Sérum” mihitsy. Noho io toetr’andro io ihany koa izay nijojoan’ny orana nikija tsy nety nijanona mihitsy dia somary nafohezina ihany ny fotoana tamin’io omaly io na dia efa niomana tamin’ny elo sy ny lamba tsy lena samihafa avokoa aza ny mpitolona rehetra ary tonga maro nitarika ny fotoana koa ireo olom-boatendry CST sy CT. Sahy nilokaloka ny olom-boatendry Sandros avy any Vatovavy Fitovinany fa raha mahazo vato 10% any amin-dry zareo i Andry Rajoelina amin’ny fifidianana dia afaka mifaly.
Ny fikorontanana miseho lany atsy amin’ny Nosy La Réunion kosa no vaovao voalohany nampitain’ny CT Mamy Tiana Ravelonanosy izay nilazany fa olana iray hafa ho an’i Frantsa io. Ny antsika Zanak’i Dada kosa dia ny sori-dalana ihany ary indrindra ny fampiharana azy no masahana. Niantso ny TROIKA mihitsy ny lehilahy ny amin’ny tokony hanerena an’ireo tokony hanome “amnistie” ary hanasazy izay tsy manaiky hampiahatra izany. Dia mbola niantso ny rehetra ho tonga maro anio ity CT avy any Ankazobe ity fa anio 29 febroary ilay fe-potoana nomen’ny TROIKA. Nanamafy kosa ny CST Randrianjatovo Henri Faratsiho fa tsy maintsy hampihatra zavatra ny TROIKA izay vondrona noforonina rehefa misy olana amin’ny tany iray ary eken’izao tontolo izao izany fa tsy mipetrapetra-potsiny, rehefa tsy tratra ilay daty nomeny satria iny sori-dalana iny no lalàmpanorenana arahintsika ankehitriny izay hanazava ny lalantsika tokoa atsy ho atsy. Na ny FAT aza sahirana rehefa mangina ny filoha R8, hoy ny CT Manoela Ralaimampisainarinony, satria ny teniny ihany no toherina. Tsy mbola mainty i Madagasikara ka tsy mendrika hisaona ny vahoakany, hoy izy, fa tokony ho fotsy aza ny akanjo satria androm-pifaliana ny rahampitso alarobia 29 febroary. Isika dia tsy miala eto fa Magro ihany no Magro.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.