Mitohy hatrany ny tolona an-kianja ataon’ny zanak’i Dada na somary sembana kely aza izany omaly noho ny fahataran’ny fanamafisam-peo. Ny mpikabary koa tsy hita firy, mba tsy hilazana hoe ningitrika fa sahirana amin’ny fanomanana ny fifidianana ka dia niala tsikelikely ny olona fa nisy ihany ny nijanona. Nanazava izany tranga izany moa ny CST Leriva Manahirana. Nambarany fa “ny 21 mey no daty farany tsy maintsy hamitana ny taratasy rehetra hoentina any amin’ny Distrika na ho an’i Neny io na ho an’ny rehetra, indrindra ireo hirotsaka ho depiote. Tsy maintsy eto Antananarivo anefa no anaovana izany rehetra izany. Raha tsy vita mantsy ny taratasy dia na hilatsaka ho kandida aza dia tsy afaka manao propagandy. Mandala ny ara-dalàna isika ka manaraka fitsipika”, hoy izy
RHR
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.