Politique

Magro Behoririka Ravalomanana ihany no vahaolana


  • Alarobia 14 Martsa 2012

Tsy mitsoaka isika raha tsy tonga i Dada, hoy i Zafilahy Stanislas, tetsy amin’ny Magro Behoririka, omaly.

 Miahiahy ny vahoaka tratry ny fafy laingan’ny sasany ka tany Analanjirofo nanatona ny vahoaka ifotony mihitsy izahay sy ny Ben’ny tanàna voafidim-bahoaka tao Toamasina, Rakotomanana Gervais nanazava, nilaza fa tsy fotoanan’ny fizarazarana izao na fotoana hanaovana kajikajy ihany koa. Efa miara-mahatsapa ny rehetra fa ny filoha Ravalomanana ihany no izy, hoy i Zafilahy. Matoky tanteraka ny SADC izy ka avelany hiasa tsara ireo.

Nampahatsiahy ity filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita ity, fa iray volana izay no nilazan’ny zanak’i Dada fa hisy manampahaizana manokana avy amin’ny SADC ho avy eto, milaza indray ny FAT, hoy izy fa nohafarany izy ireo ! Roa ihany ny zavatra nanadio ny mpanongam-panjakana, hoy i Zafilahy nanohy ny teniny, na voagadra ilay voaongana, na maty tsy miteny intsony ka dia mifototra amin’ilay mpanongam-panjakana ny nataony ka dia mila “amnistia” izy. Mbola nohatevenin’ny delegasiona mafonja avy any Moramanga izany hoe : fantatray Moramanga ary tafalatsaka am-ponay fa tsy mila “amnistia” ny filoha Ravalomanana ary izy ihany no vahaolana.
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT