Politique

Magro Behoririka Raikitra ny “Marche commando”


  • Alatsinainy 25 Febroary 2013

Nanao fampisehoan-kery tao amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka ny lehilahy rehetra avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana tonga niatrika ny hetsika tao tamin’ny sabotsy teo.

Anjaran’ny lehilahy rahateo no nikarakara ny hetsika fanaon’ny mpitolon’ny ara-dalàna teny Behoririka tamin’io andro io ka nisy hetsika manokana nasehon-dry zareo, nanao ireny hazakazaka madinika fanaon’ny komando rehefa manao matso amin’ny fetim-pirenena ireny sady nivimbina ny sarin’ny filoha Marc Ravalomanana avokoa niditra ny kianja. Nitarika azy ireo Parlemantera sy solontenan’ny filohana andrim-panjakana ary ireo mpanao politika sy mpitarika fikambanana zanak’i Dada samyhafa.

Tazana tao daholo na efa lazondazony nefa mbola mavitrika nahavita hazakazaka tsara toa an’ny Rév. Satrobory, tao ny tanora ary koa ny zaza mbola notantanana sy notrotroina mihitsy aza. Nambaran’ny mpanentana tamin’izany ny hoe : «voaporofo izao fa manana lehilahy afaka hiaro azy ny filoha Marc Ravalomanana rehefa mby eto an-tanindrazana». Ireo rehetra ireo niara-niredona ny Zanahary ô tahio, sy ny mafy matanjaka ny lehilahy saingy niavaka kosa ny vakisôvan’ny tary avy eny Ambalambahoaka sy ny hiaka nataon’izy ireo ho mariky ny fahavononana hisedra ny fahavalo.

Ntsoavina Evariste

«Marche commando» tetsy amin’ny Magro Behoririka

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT