Politique

Magro Behoririka Nirarakompana ny valin-kafatra ho an-dRajoelina


  • Alatsinainy 26 Martsa 2012

Niporofoin’ny Fikambanan’ny gadra politika tetsy amin’ny Magro Behoririka tamin’ny sabotsy teo fa mbola maro ny namany mihidy any am-ponja ankehitriny ka hanova paikady ry zareo ato ho ato noho ny amin’izy ireo.

 Nisongadina tao amin’ity kianja ity ny famakiana bantsilana ny tenin-dRajoelina tao anatin’ny TV Plus ny zoma alina teo. Tsy normal tokoa ny tetezamitanareo, hoy i Manoela Ralaimampisainarinony, fa Ravalomanana mody dia milatsaka ihany no izy ! Resaka vidim-piainana tsy mitsahatra miakatra no resahina ka tonga hatrany amin’ny SECES ny fanazavana. Tsy mandray karama ianao satria eo ny bizina rehetra, hoy izy. Raha namono olona i Marc Ravalomanana dia tsy toy izao no itiavan’olona azy ary tsy afaka mialokaloka any ivelany izy, hoy hatrany i Manoela. Soa fa lava ny tetezamita, hoy indray i Fanantera Longin ka nahafantaran’ny vahoaka ny tena amin’i Andry Rajoelina ka asakasaky ny vahoaka malagasy, indrindra fa Antananarivo raha mbola hifidy azy. Ho tany mitomany foana i Madagasikara ary hihamaro ny vahoaka mijaly amin’ny tsy fandriampahalemana satria nifidy mpanongam-panjakana ka ambarako, hoy i Fanantera Longin, fa mampidi-doza ny manome vato ho an’i Andry Rajoelina. Diso tafahoatra ny lainga afafin’i Andry Rajoelina eto amin’ny firenena, hoy kosa i Guy Maxime Ralaiseheno nanohy. Mitenena aloha fa mbola ho avy ny anjaranao. Fomba fiady ara-politika ireny, hoy izy. Tonga saina ny vahoaka ankehitriny, hoy i Guy Maxime, fa raha te hahazo hoavy tsara dia tsy misy afa tsy i Marc Ravalomanana.
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT