Vao niseho masoandro dia naboridan’ny Magro tanteraka ny GMMR. Samy nanisy teny mikasika azy ity avokoa ireo mpandahateny rehetra tao an-kianjan’ny Magro Behoririka ary saika nanamafy ny fanalavan-teny nomen’ny gazety mpivoaka isan’andro iray manao hoe : “Groupement Mpamadika an’i Marc Ravalomanana” avokoa izy ireo.
Tsy tahotra, tsy henatra fa natsangany ny GMMR, hoy i Mektoub Camille ary safidy ilay anarana hilazana fa ao anatiny tanteraka ry zareo. Zon-dRavalomanana ny mitory azy ireo kanefa vela-pandrika io satria fitiavana, fihavanan’ny samy Malagasy ary mamela fa tsy hamalifaty no ambetin-teniny, hoy izy nanohy ny fanazavana. Vao mitory anefa izy dia hilaza ireo fa lasibatra, tsy mahatanty demokrasia Ravalomanana, tsy manaraka lalàna. Fandrika amin’ny fifidianana ihany koa io, hoy i Mektoub hilazana fa mangalatra “départ” i Marc Ravalomanana. Tsy mampihontsona ary tsy mampatahotra anefa ireo, hoy izy. Ho loza ny hahazo ny firenena raha avelantsika mbola ireo no mitondra eo.
Nanao ny asany tokoa ny FAT tamin’ny voalohany, hoy hatrany i Mektoub. May ny Tele, potika ny radio, tsy avela miteny ny gazety nefa vao nisesisesy ny antson-dRavalomanana dia mikorontan-tsaina ny FAT. Voafehin’ny Filoha Ravalomanana ny serasera. Andao omentsika ny GMMR ny kianja ka ho hita eo raha mbola tena Ankolafy Ravalomanana izy ireo, hoy indray kosa i Zafilahy Stanilas. Tsy nisy nahavita ny vitan-dry Yves Aimé Rakotoarison tokoa, hoy izy, satria na i Marc Ravalomanana nanavotra azy indray aza nivadihany. Nisy tamin’ireo lasa talohany aza no sahy nandohalika mihitsy ary nivoady. Tsy vitanay ny hamadika azy telolahy, hoy ity mpitari-tolona ity, ary tsy ireny fanambarana ireny koa no hampiova ny hevitry ny Troika.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.