Politique

Magro Behoririka Niakatra an-kianja ny tantsaha


  • Zoma 02 Martsa 2012

Tato ato dia nikija foana ny orana, ary saika manerana ny Nosy amin’ny ankapobeny. Na oram-be aza anefa dia tsy niala vehana velively ireo mpitolona mitaky ny hiverenana amin’ny ara-dalàna.

 Isan’andro dia mifamotoana etsy amin’ny Kianjan’ny Finoana, etsy amin’ny Magro Behoririka izy ireo. Omaly ohatra dia niakatra an-kianja ny tantsaha. Nambaran’ny solontenan’izy ireo fa mahatsiaro ho kamboty ny tantsaha raha vao lasa i Dada satria ny ray kely tsy miraharaha, ny reny kely mody tsy mahita. Ankoatra izay dia mahatsiaro ho voatositosika ihany koa izy ireo ary dia hodiana tsy fantatra mihitsy aza. Tetsy andanin’izany dia niombom-peo ireo nandaha-teny fa na dia dila aza ny datin’ny 29 febroary 2012, daty tokony ho nametrahana ny fepetra hisiana fitoniana eto Madagasikara, ao anatin’izany ny lalàna momba ny amnistia sy ny fotoana noheverina fa hahatafaverina an’i Marc Ravalomanana an-tanindrazana dia tsy kivy izy ireo fa mbola vonona hatrany. Samy miandry izay havoaky ny diniky sy ny hevitry ny Troika ny rehetra ary eo koa ny toromarika avy amin’ny filoha Ravalomanana izay tsy mbola nandrenesam- peo aloha hatreto.

Ankoatra izay dia nomarihin’i Fanatera Longin Louis, mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, fa ny fanajana ny sonia nataony no nahatonga ny ankolafy Ravalomanana hiditra ao anatin’io rafitra io. Ny CST Randrianjatovo Henri kosa dia nanamarika fa tafiditra ao anatin’ny sori-dalana ny tokony hisiana dinika eo amin’ny samy Malagasy kanefa tsy tokony ho sodokan’ny resaka matavy ny rehetra fa ho mailo hatrany.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT