Politique

Magro Behoririka Nanao valin-kafatra amin’i Andry Rajoelina


  • Zoma 02 Septambra 2011

Nazava ny valin-kafatra ho an’i Andry Rajoelina tetsy amin’ny kianjan’i Magro Behoririka omaly mikasika ilay fanambarana nataony ny alarobia alina teo.

 Manala an’i Andry Rajoelina ao anaty tetezamita iombonana iny nataony iny, hoy i Donné. Resaka efa nilaozan’ny toetr’andro no nofohazin’i Andry Rajoelina dia ilay tondrozotran’i Simao ary nitondran’i Salomao fanitsiana, hoy i Sandros. Niandry valiny i Andry Rajoelina saingy tsy nisy ary ny vahoaka niandry daty sy tetiandro fa tsy izany no nomeny, hoy izy, ka tsy homena tsiny izy satria na ny namany aza nisintaka taminy. “Soniavo izay hosoniavinaireo, fa sandton ihany no Sandton !”, hoy kosa i Ignace.

“Ary satria efa nomenareo anarana mpanohitra izahay dia ataonay ny asa maha mpanohitra anay”, hoy izy nanohy. Tsipaky ny miala aina ny an-dRajoelina. Nandrasana hoe hiova fiteny izy ka hiverin-dalana saingy tsy niraharaha ny hoaviny izy ka dia fialana sisa no hany lalany ary izay no mendrika azy, hoy i Guy Maxime Ralaiseheno nanohy ny kabary tao amin’ny Magro. Tsy mahalala afa tsy ny tenany i Andry Rajoelina, hoy i Camille Mektoub, taratra tamin’ny teniny izany. Nampahatsiahy ireo mpandahateny fa hetsika lehibe no hiseho ao amin’ny Magro Behoririka rahampitso sabotsy 4 septambra.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT