Tsy maditra vahoaka Antsirabe, hoy ny CST Randrianjatovo Henri tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly, fa rehefa tsy rariny kosa dia mitsangana izy.
Mahafantatra loatra ny momba ny Lehiben’ny Faritra sy ny nataony ny any an-toerana, hoy izy, ka tsy mahagaga raha manohitra azy. Kamboty miantsena ny tantsaha any Vakinankaratra, hoy ny CT Zafilahy Stanislas nanampy izay, ny eritreritra betsaka fa ny hatoraka tsy misy. Ny eritreritra te hanohana ny tolona isan’andro ihany koa betsaka ho azy ireo fa ny enti-manana tena tsy misy noho ny fiatohan’ny fiaraha-miasa tamin’ny orinasa TIKO. Mendrika ny hampiana ireo tantsaha any Vakinankaratra ireo, hoy ity CT ity, ka misaotra antsika mpiara-mitolona eto amin’ny Magro Behoririka nitondra izao tsirambin’ny tanana izao hanampiana azy ireo sy ireo nanolo-tena rehetra miaro ny antsojay atao any Andranomanelatra ankehitriny fa mariky ny fifankatiavana sy firaisankinantsika tanteraka izao.
Ampiantsika amin’ny tolotra nataon’ny malala-tanana izany ka hatolotsika mivantana any an-toerana rahampitso dia rahampitso (alarobia) ihany. Nomarihan’ity mpitaritolona ity omaly, fa raha ny resaka farany nifanaovany tamin’ny filoha Marc Ravalomanana dia tsy miova amin’ny tanjona napetrany hatreto i Dada dia ny finoana an’Andriamanitra ka tsy mieritreritra izany famaliana faty izany fa vonona tanteraka amin’ny hanalana ny Malagasy amin’izao krizy mahazo azy izao.
Nanome toky amin’ny fahavononany hanarina ny simba rehetra eto amin’ny firenena ny filoha Marc Ravalomanana, hoy izy, fa nomen’Andriamanitra fahasoavana ny amin’izany. Koa noho izany, hoy ny CT Zafilahy Stanislas, dia tsy hanaiky holalaovinareo mpamadika intsony izahay fa ny anay tsy miova ny tanjona dia ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana tsy misy fepetra sy ny firotsahany hofidiana ho filoham-pirenena indray ary izany ihany. Nasehony ity CT ity tetsy an-kianja ihany koa ny biskitra misy ny marika satanika ka mahatonga ny kilonga Malagasy halemilemy raha sendra mihinana azy.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.