Mba nialan’ny teny an-kianjan’ny Finoana Magro Behoririka indray aloha omaly alatsinainy 21 jolay ny kabary namerimberina raharaha TIM niseholany tamin’ny sabotsy fa niverina niompana amin’ny fitakiana ny fodian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana izay votoatin’ny tolona hitambarana indray
ireo mpikabary. Anisan’ny laharam-pahamehana ho an’ny tantsaha fa tsy ho an’ny filoham-pirenena sy ny Praiministra ny fodian’i Marc Ravalomanana, hoy i Fred Tantsaha avy any Manjakandriana. Foana ny PSDR, hoy izy, tsy ampy ny zezika, ny masomboly, ny lalana koa simba ka mitomany ny tantsaha satria tsy mbola afaka mody Ravalomanana sady mahantra ny tantsaha izao no vitsy ireo afaka mampiana-janaka.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.