Politique

Magro Behoririka Mitaky hatramin’ny farany ny fiverenan’i Dada


  • Zoma 18 Novambra 2011

Efa ho roa taona sy tapany mahery izao no nisy ny tolon’ny mpanohitra. Ankolafy 3 moa no hahafantarana azy kokoa amin’izao fotoana.

 Tany am-piandohana tamin’ny volana aprily 2009 dia hetsiky ny Legalista na mpanohana ny ara-dalàna no niatombohany, ka ireo mpanohana an’i Marc Ravalomanana no mpandray anjara mavitrika. Ny kianjan’Ambohijatovo no toerana nihaonana isan’andro tamin’izany fotoana. Efa maromaro ihany ireo vosambotra sy nigadra na tamin’ireo mpitarika na tamin’ireo olon-tsotra nanaraka ny hetsika. Efa nisinisy ihany koa ireo namadika palitao ka nanaiky ny hiaraka hiasa tamin’ny FAT. Lohalaharana tamin’ireny ry Alain Andriamiseza sy Raharinaivo Andrianatoandro.

Rehefa niha nahery vaika moa ny fanenjehana nataon’ny herim-pamoretan’ny FAT dia tsy tafiditra tao Ambohijatovo intsony ny Legalista fa dia nifindra lasy teny amin’ny Magro Ankorondrano. Tsy naharitra ela tao ihany koa dia nahitan’ny FAT hevitra ka voaroaka sy tsy nahazo niditra tao intsony koa. Nisy ihany ny hetsika efa natao matetika teny amin’ny Magro Tanjombato, saingy noho ny halaviran’ny toerana dia tsy nitohy intsony ny teny. Ny tetsy amin’ny Magro Behoririka no safidy farany ary tao no naharitra indrindra ny hetsika. Isan’andro ny fihaonana. Nitombo ihany koa ny mpiara-dia ka tsy ny zanak’i Dada irery intsony no mitolona isan’andro teny an-kianja fa ny olon’ny ankolafy Ratsiraka sy Zafy Albert ihany koa. Teraka ny Ankolafy 3 ary nijoro ho mpanohitra ny FAT. Mazava ny fitakiana nanomboka teo fa dia ny fananganana ny tetezamita tena izy, iaraha-mitantana, ny fampodiana an-tanindrazana ireo sesitany, indrindra fa ny filoha teo aloha isany Marc Ravalomanana sy Didier Ratsiraka ary ny famoahana ireo gadra politika rehetra tsy an-kanavaka. Be marenina tamin’ireo fitakiana ireo i Andry Rajoelina sy ny ekipany ary tena tsy nilefitra mihitsy na ahoana na ahoana zava-niseho.

Toa vao mainka aza nitombo indray ireo naiditra am-ponja. Ankehitriny kosa dia ny ankolafy Ravalomanana sy ny ampahany amin’ny ankolafy Zafy Albert no mbola tonga mihaona sy mifampita vaovao eny amin’ny Magro Behoririka isan’andro. Mazava ny toromarika eny : tsy mijanona ny tolona raha tsy tonga eto Madagasikara i Marc Ravalomanana ary afaka mandray anjara malalaka amin’ny raharaha politika no sady mbola afaka milatsaka hofidiana filoham-pirenena. Nambara ihany koa fa tsy mivaky akory ny Ankolafy 3, saingy samy manana ny fomba fiasany fotsiny, ny tanjona dia tokana ihany. Ny mpanara-dia an’i Marc Ravalomanana manokana dia mazava ny resaka : tonga eto i Dada vao mitsahatra ny tolona eny an-kianja. Maro amin’izy ireo no manantena ny hahatongavan’ity filoha teo aloha ity eto an-tanindrazana amin’ity taona ity satria efa mazava ny voasoratra ao amin’ny sori-dalana ary efa manomboka mitsangana koa ireo rafitra tetezamita iaraha-mitantana ka tsy tokony hisy intsony ny sakana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT