Miditra lalina amin’ny raharaham-pirenena Malagasy Ingahy Goldblatt hoy ny feo heno tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly zoma 9 mey.
Mankahala loatra ny filoha Marc Ravalomanana izy, hoy ny mpikambana tao amin’ny Kongresin’ny tetezamita teo aloha Randriamamizafy Ignace ka milaza fa manana raharaham-pitsarana ity filoha teo aloha ity ka tsy tokony mbola hody aloha. Tamin’ny andron’ny tetezamitan-dRajoelina ianao no nahazo vahana, hoy Randriamamizafy Ignace fa ankehitriny efa fitondrana ara-dalàna ny eto ka tsy azonareo itsabatsabahana anaovana amboletra intsony. Aoka ianareo mirahalahy (ny filoha Hery Rajaonarimampianina sy ny praiministra Kolo Roger), hoy Atoa Rarison Hilarion, tsy hofitahan’ity Goldblatt ity fa fandrika tsy hampodiana ny filoha Marc Ravalomanana ny azy no efa masaka ao an-tsainy ka nanohanany an-kitsirano ny mpanongam-panjakana nitantana ny tetezamita. Aza atao sorona intsony ny vahoaka 20 tapitrisa, hoy ny jeneraly Solamena avy any Toamasina, fa tena famonoana olona tsotra izao ny tsy fanarahana ny fepetra napetraky ny iraisam-pirenena hahafahana manokatra ny loham-paompy hitobahan’ny vola vahiny eto amintsika indray dia ny fametrahana ny fitoniana eto amin’ny firenena ka anisan’izany ny famerenana ireo sesitany politika toy ny filoha Marc Ravalomanana sy ny famoahana ireo gadra politika rehetra ary ny famoahana ireo haino aman-jery nakatona izay fototry ny fandalana ny demokrasia.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.