Mazava ny resaka ao amin’ny Magro Behoririka taorian’ny fanambarana nataon’ireo filoha mpiara-mitantana ny fivondronamben’ireo Parlemantera eo anivon’ny vondrona Afrika-Karaiba-Pasifika sy ny avy amin’ny Vondrona Eoropeanina nivory tany Danemak sy ny fanambarana nataon’ny SADC taorian’ny fivoriana tsy ara-potoana nataony tany Angola farany teo, fa dia tsy azo ihodivirana ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana.
Amin’ny zanak’i Dada dia fombafomba ihany sisa ilay fihaonana hifanaovan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina, araka ny toromariky ny SADC fa ny fodian-dRavalomanana dia efa milamina. Ny hanambarana ilay andro hiverenany sisa andrasana, ary dia miandrandra fatratra izany ireo Zanak’i Dada manerana ny Nosy, eny fa na ny any ampitan-dranomasina aza.
Mikasika ilay fihaonan’ny roa tonta, dia andrasana ny famaritana ny daty sy ny toerana hanatanterahana izay fampifanatrehana izay. Ny azo antoka dia samy maneho ny fahavononana ho amin’izany ny roa tonta, fa ireo antoko mpiara-dia, indrindra ny mpanohana an’i Andry Rajoelina indray no malailay fonosana, manao izay hampisavorovoro ny saim-bahoaka. Takatry ny SADC io fihetsika io, satria anisan’ny mampikatso ny fampiharana ny tondrozotra izany. Mikasika ireo resabe mandeha etsy sy eroa, manao izay hanakanana ny fanatanterahana io fihaonana io, dia mazava ny resaka ao amin’ny Magro Behoririka, fa tsy Ravalomanana no mangataka ny hanaovana ny fihaonana eto Madagasikara Antananarivo fa ny vahoaka mihitsy no mitaky izany. Io no vahaolana maharitra sy fialana amin’ny krizy.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.