Politique

Magro Behoririka Miakatra ny maripana


  • Alakamisy 07 Martsa 2013

«Fanjakana tsy manjary ka tsy maintsy arodantsika na iza faly na iza tezitra». Niakatra ny maripana tetsy amin’ny kianja Magro Behoririka omaly tolakandro.

 Mila mandini-tena ny Malagasy, hoy ny CST Leriva Manahirana. Misy ny vaomiera misahana fanadihadiana najoro teo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST). Anisan’ny zavatra hitan’ity vaomiera ity fa misy manakana ny famohana ny Sirama ao Brickaville, misy vola an-jatony miliara Ariary voahodinkodina nandritry ny tetezamita. Mila mihetsika isika, mila miala io fitondrana io, hoy i Leriva Manahirana manentana ny rehetra ho tonga saina manoloana ny zava-misy. Etsy andanin’izany dia nahitsy ny tenin’ny CT Randriamamizafy Igance manoloana ny filazana mpandinika fiarahamonina iray tamina radio tsy miankina iray teto an-drenivohitra, fa ho kandida i Lalao Ravalomanana.

Tompon’andraikitra amin’ny zavatra nolazainy io olona io sy amin’izay vokatry ny zavatra nolazainy raha sanatria ka hisy hanao antsojay amin-dRtoa Lalao Ravalomanana satria lazaina fa kandida izy sy ny hoe fikafika politika ny fampiasana ain’olona, hoy ihany ny CT Randriamamizafy Ignace. Lasa raharaha malaza be ny fodian-Rtoa Ravalomanana, hoy ihany ity mpikambana ao amin’ny Kongresy ity satria raha tsy nosakanana ny fidirany teto tsy ho toy izao ny fiantraikany. Nametra-panontaniana koa ny tenany ny momba ny hoe : faritra mena. Na tany Ambatofotsy Faratsiho na ny tany Mandritsara dia samy nitifitra olona ireo mpitandro ny filaminana satria hoe faritra mena ny tobin’ny zandary sy ny fonja.

Mpitandro ny filaminana toy ireo koa anefa no nenjehina sy nampidirina am-ponja ary tsy mbola tafavoaka hatramin’izao kanefa dia nanao ny asany, niaro ny lapan’Ambohitsorohitra ny 7 febroary 2009 raha heverina sy lazain’ny FAT fa nitifitra ireo miaramilan’ny prezidansa tamin’izany. Miandry izay ho tohin’ny hanaovana ireo miaramila sy mpitandro ny filaminana nitifitra ka nahafaty olona tany Mandritsara sy Faratsiho izahay, hoy izy. Momba izay tranga any Mandritsara izay ihany dia nambaran’i Zafilahy Stanislas fa mahamenatra sy manala baraka ny zava-misy. Ireny dia midika fa tsy matoky ny fitondram-panjakana sy ny fitsarana intsony ny vahoaka ka avy hatrany dia fitsaram-bahoaka no tadiavin’ny olona. Momba ny sori-dalana sy ny fampiharana azy indray dia nambaran’ny filoha lefitry ny Kongresy fa raha nanaja sy nanatanteraka izany isika dia tsy hisy resabe toy izao na ny fodian’i Lalao Ravalomanana na i Marc Ravalomanana.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT