Niakatra ny feo tao amin’ny Magro Behoririka omaly. Nambaran’i Zafilahy Stanislas mantsy fa misy miketrika ny hanao izay hahafefika ka hanafoana ny tolona eo amin’ny Magro ary hisamborana ireo mpitarika toa azy.
Raha samborina i Zafilahy, dia be dia be ny Zafilahy hijoro, hoy ity mpanao politika ity. Raha fanehoan-kevitra no hisamborana anay dia sambory ary ataovy raha mahasahy, hoy ihany izy. Remenabila aza tsy voasambotra, hoy ity farany. Tsy hiala izahay fa fantatray ny tena marina, hoy izy. Nohamafisiny fa tsy hijanona ny tolona eny an-kianja raha tsy tonga eto Madagasikara i Marc Ravalomanana. Na inona na inona fanodinkodinan-kevitra eto, hoy i Zafilahy dia tsy voavaha ny olana raha tsy tafaverina Ravalomanana. Tsy misy andrandraina intsony ny momba an-dRajoelina izay milaza fa hanampy ny zokiolona, hoy izy kanefa ny fisotroan-drononon’ireo bekotro maroholatra aza dia tsy azo nandritry ny herintaona. Niantso ny vahoaka moa ny tenany hiray hina sy hifoha manoloana ireo zavatra tsy mety eto amin’ny firenena.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.