Politique

Magro Behoririka Menatra sy manongo tena izahay mpitolona tsotra


  • Alarobia 07 Desambra 2011


 Zendana sy tanlanjona ary manongo tena fa menatra izahay mpitolona tsotra ety amin’ny Magro Behoririka raha nahita sy nandre tamin’ny haino aman-jery fa Rtoa Sarah Georget Rabeharisoa avy amin’ny antoko Maitso indray no sahy nametra-pialana tsy niditra ho CST, tsy nanaiky ho raviravian’ny karama volabe sy ny fifikirana amin’ny seza satria tsy mbola voahaja ny fepetra fampiharana ny tondrozotra mba hisian’ny fitoniana eto Madagasikara, fa ireo mpitarika ny ankolafy Ravalomanana izay nanao angoatenda nandritra ny 3 taona tety an-kianja ary nitaky marindrano an’ireo zavatra ireo dia tsy nahatan-damba ary tonga dia nifikitra raha vao notoloran’ny FAT seza, nihazakazaka nisoratra anarana teny Tsimbazaza sy teny Anosikely ary nitorovoka soa aman-tsara teo amin’ny seza velory tontolonandro androany talata, tsy nahatsiaro hasasarana satria handray volabe hanaovana fetin’ny faran’ny taona miaraka amin’ny FAT. Ny vola no maha-rangahy ê ! Fa ny ety tsy miova : vovoka sy hainandro ary rotsak’orana miaraka amin ‘ny fanantenana ny fiverenan’i DADA na iza lasa, na iza mijanona.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT