Politique

Magro Behoririka Manamasaka ny fiatrehana ny fifidianana


  • Talata 14 Mey 2013

Hetsika tony no nentin’ny tao amin’ny Magro Behoririka niainana ny faha-41 taonan’ny hetsi-bahoaka notarihin’ny mpianatra tamin’ny 13 mey 1972.

 Tamin’ny ankapobeny dia fizaram-baovao, fanazavan-kevitra ary koa fanentanana ny Zanak’i Dada hivonona amin’ny fiatrehana ny fifidianana ho avy no nomasahana raha ny omaly. Tapaka fa hantsangana isaky ny Distrika ny rafitry ny antoko Zanak’i Dada sy ny ankolafy Ravalomanana hiatrehana fifidianana, hoy ny CST Randrianjatovo Henri. Ity farany izay somary nanao tsindrom-paingotra ny CENIT toa mangina tsy miteny manoloana ny fisian’ireo sary goavambe apetaky ny kandida sasany amin’ny toerana talaky maso, nefa ny kandida hafa atao andrimaso. Nahazo valin-kafatra koa, omaly, ny Troika-SADC izay mangataka ny fisintahan’ny kandida isany Andry Rajoelina, Lalao Ravalomanana ary Didier Ratsiraka amin’ny fifidianana. Ny Malagasy no mametraka izay tiany hanasoavana ny fireneny fa tsy ny iraisam-pirenena. Ny mpanongam-panjakana no tokony hogontana aminy ny fahefana, hoy ny tao Behoririka omaly.

 

RHR

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT