Politique

Magro Behoririka Hiverina ainga vaovao ny tolona


  • Alarobia 14 Mey 2014

Telo volana tsy niakatra teto amin’ny kianjan’i Magro aho, hoy Raveloson Constant avy amin’ny MFM, fa somary naka saina kely taorian’ireny fifidianana ireny.

 Tsy nipetrapetra-potsiny anefa fa nanamafy ny fananganana ny fikambanana iray nokononkononin’ity tolona ity mba ho feo iray ihany no mivoaka eto an-kianja eto. Heveriko fa tsy maintsy natao izany mba handeha any amin’ny lalana mahitsy sy madio ary mazava ny tolona, hoy i Constant. Hovelomintsika bebe kokoa indray ity Magro ity. Efa misy namana vonona haneli-patrana any amin’ny manodidina any. Hiverina ainga vaovao ny tolona misy antsika manomboka ny alarobia (anio) fa tongava maro. Ny antony nisafidianako ny andron’ny 13 mey hiverenana eto amin’ity kianjan’ny Magro ity dia misy dingana vitantsika ka tsara ny ifampiresahana ny amin’izany, hoy hatrany i Constant. Misy milaza fa dimy taona ny 13 mey fa aiza ny fampodiana an’i Dada ? Nisy dingana vita tao. Amin’izao isika miresaka izao dia i Andry Rajoelina sy ny Mapar no anjorom-bala fa tsy isika intsony.

Amin’izao isika miteny izao, ny olona mitady ny fomba hisakanana ny fodian’ny filoha Ravalomanana no sahirana fa tsy isika. Tsy nisy izao tolona izao raha tsy teo ny fahaizan’ny filoha Ravalomanana tamin’ny dingana vita sy ireo namana tafiditra ao anatin’ny andrimpanjakana, ary nahavitan’ny fifidianana. Hain’ny filoha Ravalomanana ny mitantana ny tolona tsy hahafoy aina, tsy haharesy antsika. Ilay mpitondra fahatany teto no lasa anjorombala. Anjaran’ny namantsika no mahay manararaotra ny sehatra misy azy, ny anjarako dia ny manazava ary isika dia manazava any amin’ny manodidina antsika.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT