Politique

Magro Behoririka Hisy raha amin’ny sabotsy izao !


  • Alakamisy 25 Aogositra 2011


 Tsy nisalasala ny mpitari-tolona etsy amin’ny Magro Behoririka toa an’Ignace nilaza teo an-kianja omaly fa : «tsy mahomby ny FAT, fa nitondra an’i Madagasikara anaty lavaka. Tombontsoa sisa no mbola ijanonan’ireo ao na dia efa mitsikera azy daholo ny rehetra. Manomboka mahatsapa daholo mantsy fa fahadisona no naterak’ilay fanovana». “Ny zava-marina tenenintsika miverimberina eto, herintaona aty aoriana vao misy mahatakatra”, hoy i Rostand mpanolontsaim-paritra avy any Horombe.

Tara herintaona foana ny FAT, hoy izy. Nohamafisin’i Sazalahy Tsianihy io. Mbola ity resaka ity ihany koa no nohamafisin’i Camille Mektoub tamin’ny hoe : tsy misy tsy miloa-bava amin’ny zavatra miseho eto amin’ny firenena. Tsy mahagaga raha miady an-trano sy mifanebaka anatiny ny FAT ankehitriny. Ny sasany efa manavotr’aina sao dobo ao ! Aza atao fanontaniana intsony ilay hoe hiverina ve i Dada, hoy izy, fa ny mpanapaka no hanatitra azy eto ary “raha mbola be fanahina ianao, dia tongava ao amin’ny Magro”. Sady nanamafy ireo i Zafilahy Stanislas no nanatsidika fa hisy zava-baovao hiseho ao amin’ny sabotsy ho avy izao.

 

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT