Nafana na dia andro alakamisy aza ny tao amin’ny Magro Behoririka omaly. “Maninona no ekena avokoa ny ataon-dRajoelina ?”, hoy i Lalatiana ao amin’ny KMFB. Ampahoriana amin’ny fitadiavana ilay Malagasy, hoy Mme Charline Andrefan’Iarivo, paikady frantsay manerana an’i Afrika zanataniny izany.
Nanamarika ny mpandrindra ny TIM eto Antananarivo Renivohitra, Rtoa Rasendramiadana Clarisse, fa mandeha an’ila tanteraka ny fitantanana ny tetezamita fa tsy misy velively an’izany fiaraha-mitantana izany. Tsy misy ny fampiharana manontolo ny tondrozotra ka tsy hibaby ny heloka amin’ny fanaovana fifidianana tsy marim-pototra isika ka handeha hanatitra taratasy fitakiana amin’ny Sadc eny amin’ny birao-pifandraisana eto Antananarivo, hanery azy ireo hanatanteraka ny fampiharana manontolo ny andininy rehetra ao amin’ny tondrozotra indray isika rahampitso (anio zoma 5 aprily amin’ny 10 ora maraina). Hiantsoana antsika mpitolona rehetra tsy an-kanavaka izany. Aleo hoy ny CT Randriamamizafy Ignace tsy resahina ny momba ireo kandida satria propagandy ho azy izany.
Fifidianana no malaza, hoy izy, vita amin’ny fananganana ny andrim-panjakana tsy ara-dalàna ve ny fitoniana ? Efa natao ve ny fampihavanam-pirenena ? Mipetraka ve ilay fihavanana ? Efa tony ve ny vahoaka ? Nanontaniany ihany koa ny Ceni-T hoe : sorabola ve no azo sa efa ao tokoa ny vola ? Ny Ceni-T any amin’ny kaomina aza tsy mbola mipetraka, hoy izy, “site web” aza tsy ananany. Raha hanovana dia manovà amin’ny tsara, hoy ity CT voatendry avy any Moramanga ity, ataovy tsara lavitra noho ny tany aloha fa tsy fanimbana toy izao iaraha-mahita izao no atao. I Soarano ao amin’ny movansy Zafy kosa dia nanamarika fa lasa malemy “ilay homme fort” sady nilaozan’ny namany no tsy afaka milatsaka. Resaka fotsiny ilay hoe solombavambahoaka aloha atao hoy ny CT Manoela fa mihazakazaka ho filoha avokoa. Matoa isika mbola eto afaka 4 taona dia mahatoky an’i Dada. Ny ady atrehantsika dia ny fampodiana an’i Dada ka ametrahana ny fanontaniana hoe : rahoviana sy amin’ny fomba ahoana ? hoy ny CST Rodin Razafimanjato, fa hambo-po diso toerana ny mifanaratsy an-toerana. Aza manadio tena izany ianao milaza hirotsaka ho kandidà io, hoy izy, ka milaza hoe : ny fianakaviana no hamatsy vola amin’ny fampielezan-kevitra sy fikarakarana fifidianana ary lainga izany ianao hiala an-dapa izany. Aiza daholo ny volan’ny Fid ? ny an’ny Fdl...
RHR/Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.