Politique

Magro Behoririka Hetsika lehibe amin’ny sabotsy


  • Alakamisy 14 Martsa 2013

Tsy ahitan-teny firy fa manaja tanteraka ny fifanarahana amin’ny tsy fitondrana resaka politika ny fiverenan-dRtoa Lalao Ravaloanana an-tanindrazana ny mpitolona etsy amin’ny Magro Behoririka.

 Hita amin’ny endrika ety ivelany anefa fa dibo-kafaliana tanteraka izy ireo tamin’ny fandrenesana an’iny vaovao lehibe iny hatramin’ny talata teo. Azo inoana, araka izany, na dia tsy ho avy eny an-kianja araka ny fifanarahana aza ity vadin’ny filoha teo aloha ity dia ho feno tanteraka ny kianja amin’ny sabotsy izao. Araka ny fanazavana nomen’ireo tompon’andraikitra dia hetsika miavaka no homanin’ny “Mobilisation” hivondronan’ny TIM Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina, ny KMFB, ny Very asa, Fimapro, Union des associations sy ny TMR tompomariky ny fikarakarana amin’ny sabotsy 16 martsa izao. Tsy miova ho azy rehetra ireo ny tarigetra nitondrana ny tolona nandritra izay efa-taona izay dia ny famerenana ny ara-dalàna sy fitakiana ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana hisian’ny fitoniana sy hahazoana miroso amin’ny fifidianana madio sy marina ary mangarahara hivoahana amin’izao krizy mianjady amin’ny firenena izao.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT