Magro Behoririka
Hanao hetsika hanampiana ireo gadra politika
“Ady amin’ny fahantrana ve no hatao sa ady amin’ny mahantra ?”, hoy i Zafilahy Stanislas. Ny mahantra no tokony hampiana fa tsy vao mainka potehina indray, hoy izy. Tsy tapitra akory ny eny Ankadimbahoaka dia efa manomboka ny eny Ambohimanambola. Ho lasa mpindrana sisa ny Malagasy raha izao no mitohy. Tsy eto Tanà ihany io resaka ady tany io fa manerana ny Nosy, hoy i Fredy tantsaha avy any Vakiniadiana. Any Moramanga, hoy Randriamamizafy Ignace, dia tsy mbola misy “procedure” vita akory tamin’ireo tany 1000 ha nefa dia nisy nametaka “borne” sahady. Hanao sambatra ny any Mananjary ato ho ato, hoy Atoa Sandros, izay fotoana hifamelan’ny vahoaka rehetra tsy ankanavaka ankoatra ny fanaovana didimpoitra ny zazalahikely ka mba tokony ho ohatra alain’i Madagasikara manontolo tahaka izany hanajanonana ny disadisa rehetra. Araka ny nambaran-dRtoa Rasoamalala Brenda dia hanao hetsika vokatra ny ao an-kianja amin’ny sabotsy izao hoentina hanampiana an’ireo gadra politika. Tsy afaka miatrika ny fetin’ny reny izy ireo, izay lehilahy avokoa, amin’ny alahady ka aleo izy ireo no tolorana fanampiana ka entanina manokana ny reny rehetra hanao izay ho afany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.