Fombafomba ihany sisa ny latsa-bato hatao fa efa vita ny fifidianana eto Antananarivo, na inona na inona zavatra zaraina isan-tokantrano, hoy ny i Zafilahy Stanislas tao amin’ny Magro Behoririka omaly.
Tsy maintsy miasa anefa isika any amin’ny faritra, hoy izy, satria dia mihinana ambolony ny vahoaka tsy mahita sy tsy mandre afa-tsy TVM sy RNM manao tsianjery ny fialan’i Lalao Ravalomanana, i Neny izay tsy mila artista rehefa hiatrika vahoaka.
Hatreto aloha dia mihemotra avokoa ny fifidianana na dia tsy ofisialy aza. Isika anefa, hoy i Zafilahy Stanislas nilaza ary voaporofo izao fa tsy hisy fifidianana tena izy raha tsy migadona eto an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana. Nohenjehina mafy ny filoha Ravalomanana, hoy i Zafilahy ary nitondrana mpiandry ny toerana niasany fa hoe : misy sampy, izao anefa i Andry Rajoelina tsy mandray fanapahan-kevitra raha tsy alina, tsy mikabary raha tsy alina, manao ady maizina. “Aleo handeha izay te hivadika”. Niverina tao an-kianja indray io teny io omaly manoloana ny tranga tany Mahajanga nandritra kitra “fair-play”. Hotsarain’ny tantara sy ny hoavy avokoa ny rehetra, indrindra fa ny mpanao politika, hoy ny CT Rasoamalala Odette Brenda.
RHR
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.