Aleo hiasa malalaka ny CES vaovao raha ao amin’ny ara-dalàna, hoy i Rodolphe nandritra ny hetsiky ny Zanak’i Dada tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly.
Asa miandry ny CES ny handinika indray ny antontan-taratasin’ireo kandidà miisa 41 hamoahana lisitra vaovao raha vaoporofo fa nisy tsy fanarahan-dalàna. «Raha voatana ao anaty ny anaran’i Neny dia arahaba soa fa raha tsy ao kosa dia efa fantatsika vahoaka ny zavatra tokony hatao satria ny antsika dia i Neny ihany», hoy i Rodolphe. Ny mahagaga amin’ny iraisam-pirenena, hoy kosa i Nenifara dia ao amin’ilay lalàmpanorenana tsy ankatoaviny no misy ilay enim-bolana ka naverina tao anaty lalàm-pifidianana nefa dia takiana amin’ny kandidà indray. Any aminareo CES vaovao ny antokin’ny fitoniana, hoy izy. Tsofintsika rano mihitsy ny CES, hoy i Manoela. Tsy misy atahorana raha ilay didy hitsivolana nivoaka tamin’ny filankevitry ny minisitra farany teo, manome alalana handinihana indray ireo kandidà fa ny fanapahan-kevitra politika no mety ho hafa.
RHR
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.