Politique

Magro Behoririka “Ampy izay fahanginan’Antananarivo izay”


  • Zoma 27 Aprily 2012

Andro farany mialoha ny hetsika lehibe hataon’ireo Parlemantera avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, ka hanaovan’izy ireo tatitra amin’ny vahoakan’Antananarivo etsy Ambohijatovo ity anio ity.

 Ampy izay fahanginan’Antananarivo izay”, hoy Ralaiseheno Guy Maxime tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly ka “tonga ity ny fotoana” ary fanomezana toromarika sy fandaminana amin’ny fidirana ao Ambohijatovo sisa no hatao (anio). “Tano ny teny nomenareo fa zon’ny vahoaka malagasy ny mahafantatra ny fitantanana ny fireneny”, hoy izy nanohy ny fanazavany. I Mohamady Sakra indray tetsy ankilany dia nanipika mazava “hanamafy ny maha Kianjan’ny demokrasia an’Ambohijatovo isika ary mila mihaino tatitra avokoa, eny fa na ny mpitandro ny filaminana aza”. Notsindrian-dRandrianjatovo Henri Victor tamin’ny teny mahitsy fa “tsy maintsy azontsika io kianja io ary antsipirihany ny tatitra homen’ny parlemantera amin’ny sabotsy”.

 

Sady nanamafy ny fanentanana ho an’ireo izay mbola misalasala no nanampy fanazavana kosa Rarison Hilarion fa Kianjan’ny demokrasia io ka tsy fangatahana no nalefa fa fampandrenesana. “Volam-bahoaka no laninay ka asanay no hataonay amin’ny sabotsy, hoy izy ary tsy misy maha samihafa ny famoriam-bahoaka nataon’i Andry Rajoelina tany Morondava sy ny hatao ao Ambohijatovo. Nanamafy izay i Zafilahy Stanislas ary nanao valin-kafatra ho an’ireo milaza fa tsy ara-dalàna io hetsika omanin’izy ireo rahampitso io. “Avadibadiho ny lalàna momba ny parlemantera ! Voalaza ao fa mila manao tatitra amin’ny vahoaka ireo”, hoy izy. Nampiany fa “raha tsy ara-dalàna tokoa ny fisiany, maninona no misy fampiantsoana amin’ny fomba ofisialy ho avy hivory”. Mikasika ny fampitandremana ataon’ny lehiben’ny mpitandro ny filaminana indray dia nahitsy ny tenin’i Zafilahy, fa “raha ny fisamborana na ny fitifirana no mety ho an’i Madagasikara dia ataovy izany”. Misy fetrany anefa, hoy izy, ny faharetan’ny vahoaka ary izay milalao afo ihany no may.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT