Politique

Magro Behoririka Amnistia izao no malaza


  • Zoma 23 Martsa 2012

Saika niompana tamin’ny lalàna momba ny famotsoran-keloka ny kabary tao amin’ny Magro Behoririka omaly. Mbola an-dalam-pandrafetana izy io, ary tokony hodinihina amin’ny filankevitry ny governemanta sy filankevitry ny minisitra manokana hatao amin’ny fiandohan’ny herinandro io.

 Tsy mbola misy mahalala izay ho votoatiny saingy dia efa mamepetra ireo Parlemantera avy amin’ny ankolafy Ravalomanana fa tsy hisy hanaiky izay paipaika eritreretin’ny TGV sy UDR-C hanavakavaka ny samy Malagasy ao anatin’io amnistia io, eny amin’ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, fa tsy maintsy atao izay hisian’ny fitoniana eto. Mila dinihina lalina. Na i Andry Rajoelina aza miaiky fa ny Parlemanta no tompon’ny teny farany amin’io aministia io, hoy ny CST Fanantera Longin tetsy Behoririka omaly. Rehefa izay dia nitodika any amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny tenany sady nanao fanamarihana. Efa iray volana izao no nandrasana an’io volavolan-dalàna mikasika ny aministia io, hoy izy ka raha tsy tanteraka indray io dia inona no fepetra horaisinareo satria tena tsy mampihatra ny sori-dalana ny FAT. Porofon’izany ny didim-pitsarana nivoaka mikasika ny raharaha BANI farany teo iny, hoy izy.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT