Resaka FFKM teny Ambatonilita, ny raharaha TIKO any Andranomanelatra Antsirabe ary ny fety tetsy Anosy no nisongadina tao anaty kabary nataon’ireo nanana anjara fitenenana omaly tetsy amin’ny Kianjan’ny Finoana Magro Behoririka.
Vitsy ny Tgv tonga tao Ambatonilita fa mpanohitra no tonga maro, hoy Rtoa Berthine. “Fa taiza ireo mpomba an’i Andry Rajoelina omaly ?”, hoy i Manoela. Ny mpibodo toerana ihany no tsy tonga tao Ambatonilita, hoy i Zafilahy Stanislas. Ny valala manimba vokatra, hoy i Fred, fa ny mpiverina an-dalana dia manimba ny fiainan’ny tanora tahaka ireny teny Anosy ireny. “Sao dia tsy manana vola intsony dia manao antsojay ny TIKO ?”, hoy ny CT Zafilahy Stanislas. Mankasitraka ny ataon’i Antsirabe i Mahajanga, hoy i Odile (Mahajanga). Ny zokiolona any Mananara Avaratra dia nanafatra, hoy ny solontenany, fa isika no nametraka fitsipika tamin’ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany tamin’ny andron’ny filoha Marc Ravalomanana, izao na ny TIKO efa rava aza mbola robaina ihany. “Saisie”, hono, no hatao fa tsy lavanty ary “mobilier” fa tsy “immobilier” any Andranomanelatra, hoy ny CT Manoela. Sao dia mihevitra anay ho vendrana àry ny FAT ? Fihavavana sy firesahana ve no katsahina dia kitihina ny TIKO ? Misy soratra nataon’ny tantsaha hoe : “aloavy ny may fa aza hidina ny orinasanay ao Andranomanelatra, hoy ny Cst Henri.
Ahoana ny Agrivet no efa mamandrika ny hanao Feedmil, izy angaha no hividy ny fitaovana ? Ny CT Raveloson Constant no namintina izay rehetra izay raha nilaza fa ao anatin’ny tena tolona dia misy ny zana-tolona izay foronin’ny fahavalo. Misahirana mihitsy i Andry Rajoelina manome sy manolotra daka fingotra sy bal teny Anosy. Tsy vitan’izany fa dia tsy tonga izy omaly teny Ambatonilita ary nanangatra tampoka any Andranomanelatra. Aza gaga ianareo ry zandry, Christine sy Hajo raha mampiseho fitiavana amin’ny TIKO ny vahoakan’i Vakinankaratra sy Antananarivo ary ireo Faritra rehetra manerana ny Nosy fa fampisehoana fitiavana sy fankasitrahana io. Ny anareo koa moa ny fitiavana any an-dapa hafahafa ! Vao nanomboka ny 2009 dia niova ny fiainana teto : nisy ny very asa, ny matimaty foana, ny mamono tena, eny ny mamono ny havany mihitsy…ary nisy ny mpanefoefo tao anatin’izay fahasahiranana izay rehefa mandohalika sy mandadilady amin’i Andry Rajoelina ary dia nekena fa atao tsimatimanota ny nandoro olona velona sy nanimba tanàna.
Lavitry ny Satana ve izany ? Tsy hahagaga ny fisian’ny gropy satanika. Isika anefa no hanadio ny tanàna, tsy hanjakan’ny devoly intsony. Ianao no mahafantatra fa nanongam-panjakana ary mahalala izany daholo izao tontolo izao ka tsy afaka milatsaka nefa ekena hilatsaka hitsapanao ny fitiavam-bahoaka anao. Izay manakana ny filoha Ravalomanana tsy hirotsaka hofidiana indray dia ireo tsy mankasitraka ny fandrosoana nisy hatramin’ny nahatongavana teo amin’ny 2009, efa miiba ambany ny 0 isika izao.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.