Politique

Magro Avaratsena Antsirabe Hiova ny paika amin’izao taona vaovao izao


  • Talata 03 Janoary 2012

Na dia tao an-katoky ny faran’ny taona aza dia mbola tonga maro ihany olona tao amin’ny Magro Avaratsena Antsirabe ny tolakandron’ny sabotsy 31 desambra lasa teo.

 Ankoatra izay dia tao anaty ora-nikija ihany koa ity fihaon’ny Zanak’i Dada ny faran’ny taona ity saingy toa efa vita vakisiny tanteraka ireo mpitolona. Na izany aza dia nafana tanteraka ny fanehoan-kevitra io sabotsy faran’ny taona io. Fantatra nandritra ity hetsika ity fa dia hanova paika tanteraka ireo tanora amin’ny fanafainganana ny tolona indrindra fa ny fampodiana ny filoha Ravalomana haingana eto Madagasikara izay nilazan’izy ireo fa toa arirariran’ny FAT sy ireo mpitondra fotsiny ny vahoaka kanefa efa hita fa miha mahantra hatrany ny vahoaka ary efa mandady amin’ny tany ka nanapa-kevitra ireo tanora fa hanohana ny “Komity mitaky ny fampiharana ny tondrozotra”, izy ireo amin’izao fiatomboahan’ny taona vaovao izao ka efa manomboka manentana ireo vahoaka hivonona ny amin’izany. Ingahy Frédéric avy amin’ny MFM moa dia nanao tamberina fa ho taona ratsy ho an’ny Frantsay ity taona 2012 ity aminy ara-tantara satria dia ho feno 40 taona amin’ity taona ity ny hetsika 13 mey 1972, izay midika fa niongananan’ ireo saribakolin’ny Frantsay teto Madagasikara taorian’ny hetsika nataon’ireo mpitolona tamin’izany, satria aminy dia mbola ny Frantsay hatrany no ao ambadiky Ingahy Rajoelina amin’izao fotoana ary ny Frantsay no tsy mbola mankato ny fodian’ny filoha Ravalomanana toy ny nataon’izy ireo tamin’ireo mpitolona Malagasy izay nalefany sesitany mandra-pahafatiny tany ivelan’i Madagasikara talohan’io 1972 io. Araka izany dia ho hita eo indray ny endriky ny tolona ao Antsirabe aorian’izao taom-baovao izao. Tonga manotrona ny hetsika eo amin'ny Magro hatrany moa ireo mpikambana ao amin'ny CT saingy tsy mandray fitenenana izy ireo mandritra ny hetsika ao an-toerana.

Caïus R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT