Voakiana mafy indray ny Frantsay tao an-kianjan’ny Magro Avaratsena ny sabotsy 02 Martsa 2013 lasa teo.
Nambran’Atoa Frederick fa ny Frantsay no ao ambadika sy mibaiko ny fanakanana ny fodian’ny fianakaviana Ravalomanana eto Madagasikara. Nohamafisiny fa fahavalon’ny tolom-bahoaka hatramin’izay ny Frantsay ka raha izao no mitohy dia mampanahy be ihany ny fifidianana eto Madagasikara, fa mety ho loharanon’ny ady an-trano na savorovoro toy ny nitranga tany Côte d’Ivoire sy ny any Mali amin’izao fotoana. Nanamafy ny CT Rakotomiandrisoa Jean Ernest fa n’inona n’inona fifidianana hitranga eo dia tsy handray anjara ny ankolafy Ravalomanana raha tsy tonga eto an-toerana ny filoha Marc Ravalomanana. Raha hatao amboletra ny fifidianana dia hoporofointsika, hoy izy, fa isika tsy nifidy ny maro an’isa eto ka dia tsy hisy lanjany izay filoha lany eo.
Namerina ny efa nataony
Ny Dr John kosa dia nampahatsiahy fa namerina ny efa nataony taloha fotsiny ingahy Razafy Robert, Tale jeneralin’ny ACM amin’izao fotoana satria efa izy no nitantana io andraikitra io ny taona 2001 ka namoahany naoty ny tsy ahafahan’ny fiaramanidina an’ny orinasa Tiko hisidina ny habakabak’i Madagasikara raha vao reny fa hifaninana amin’ny amiraly Ratsiraka Atoa Marc Ravalomanana amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Mbola izy koa ankehitriny no namoaka NOTAM manakana ny vadin’ny filoha Ravalomanana tsy hiditra eto Madagasikara. Aza adinoina, hoy ny Dr John, fa vokatr’io nataony io no nandrodana ny fanjakan-dRatsiraka ka dia ho avy amin-dRajoelina indray koa izany.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.