Voakiana mafy tao an-kianjan’ny Magro Antsirabe indray ny vondrona iraisam-pirenena ny alarobia 22 mey teo.
Anisan’ny voakiana tamin’izany ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana, Ban Ki Moon. Nambaran’ny CT Didier Radert fa mahagaga ny fanambaran’ity farany nilaza fa mifanipaka amin’ny tondrozotra ny filatsahan’izy telo mianaka, kanefa raha ny fifanarahana iraisam-pirenena nosoniavina tany Cotonou dia i Andry Rajoelina mihitsy no tsy mahazo milatsaka fidiana ka tsy misy hidiran-dRamatoa Lalao Ravalomanana ny momba ny tondrozotra, satria manan-jo tanteraka ny tenany ary matoa neken’ny CES izay rafitra natao hifantina ny filatsahan-kofidiana ny antontan-taratasiny dia nahafeno ny fepetra izy izany. Karazana fanerena ankolaka mety hiafara amin’ny ambana vava-basy, hoy ity CT ity ny tohin’ny resaka tao amin’ny Carlton ka soa fa tsy nanatrika izany i Neny kandidàntsika.
Raha ny fampiharana ny tondrozotra no jerena dia aiza ny vondrona iraisam-pirenena amin’ny tsy fampiharana ireo andininy marobe tsy mbola tanteraka toy ny andininy faha-16 ny faha-17 ny ary indrindra ny faha-20 izay odian’ny sasany fanina fotsiny kanefa jeren’ny vondrona iraisam-pirenena amin’izao, na dia voalaza aza fa tokony hosaziana izay sakana amin’ny fampiharana azy. Etsy andaniny dia ahoana hoy ny CT Didier Radert no tsy miteny ny sehatra iraisam-pirenena manoloana ireo olona tafiditra amin’ireo 109 voasazy kanefa kandidà ihany sa ny an’i Lalao Ravalomanana mihitsy no tsy zakan’izy ireo ? Mbola nanamafy io resaka io moa Atoa Frederick raha nandray fitenenana saingy nifototra tamin’ny fanambarana ny hery ny votoatin’ny lahateniny ka nilazany fa fotoana tena hitambarana izao satria mbola betsaka ny zavatra mety hiova sy hitranga ka mila mivonona amin’izany ny mpitolona. Ny tanjona hoy ity farany dia ny fomba ahatongavana amin’ilay «1er Tour dia vita» mba tsy haha very momoka ny tolona nandritra ny efa-taona teny an-kianja.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.