Politique

Magro Antsirabe Velombolo ireo mpitolona


  • Alatsinainy 28 Novambra 2011

Mbola mafana ary miha mafana hatrany ny tolona ataon'ireo mpitaky ny ara-dalàna ao amin'ny Magro Avaratsena Antsirabe.

 Raha ny sabotsy 26 novambra teo dia nifantoka tanteraka tamin'ny fidiran'ireo Minisitra avy amin'ny ankolafy Ravalomanana tao anatin'ny governemanta Beriziky ny lahateny mba hanalana ny ahiahin'ireo mpitolona izay hita fa leom-boan'anana tanteraka tamin'ny nataon'ny tari-dRaharinaivo. Nanamarika moa i Dadamanana izay nitarika ny hetsika fa matoa ireo minisitra ireo niatrika ny filankevitry ny governemanta dia efa nisy ny fifanarahana mialoha tamin'Atoa Praiminisitra Omer Beriziky izay natao an-taratasy mihitsy. Raha misy ny tsy fahantaterahan'izany dia miala avy hatrany ireo minisitra ireo. Tafiditra amin'ny fitakiana ny fampiharana araka ny tokony ho izy ny tondrozotra dia ny andininy faha-20 mahakasika ny fodian'ny filoha Marc Ravalomanana, ny famoahana ireo gadra politika, ny fanokafana ireo radio nakaton’ny FAT, toy ny MBS, Radio Mada, ary ny radio Fahazavana sy ireo hafa. Ankoatra izay dia nohamafisin’ i Dadamanana fa tsy miato ny tolona raha tsy miverina eto Madagasikara ny filoha Ravalomanana.

Atoa Frédéric avy ao amin'ny MFM moa dia nilaza mihitsy fa raha tsy misy ny fihaonan'ireo filoha teo aloha telo miampy an'ingahy Rajoelina dia tsy hilamina ity raharaha ity. Ara-tantara dia misy ny olona toa an'i Manandafy izay miaraka amin'ny filoha Ravalomanana sy ny pastera Andriamanjato miaraka amin-dRajoelina kanefa nanana ny tantarany teto Madagasikara ireo olona ireo ka izay no mbola tsy hilaminan'izao raharaha izao raha toa tsisy io fihaonana io ary namafisiny fa ny fidiran'ireo olona ireo ao anatin'ny Governamanta dia ny hampody ny filoha Ravalomanana ka raha tsy hahavita an'izay dia tokony hiala tao sao dia hiandronan'ny rihitra eo koa. Ankoatra izay moa dia niditra an-telefaonina, nitondra fanazavana sy nankahery ny olona ireo Parlematera izay nivory taty Antananarivo ka nilaza fa tsy misy atahorana ireo minisitra ireo fa efa voatsodranon'i Dada ka azo antoka fa ny fitsenana azy no efa tokony hiomanan'ny olona fa dia andro sisa isaina, hoy ny Depioten’i Faratsiho teo aloha, Randrianjatovo Henri.

Tsikaritra ihany koa tamin'ity hetsika ity fa dia manomboka miverina avokoa ireo mpitarika izay tsy tazana efa elaela ka nahabe resaka ny olona indray fa any amin'ny resaka fitadiavana seza sy famadihana indray no alehan'ny sain'ny olona vokatry ny nataon-dry Raharinaivo sy ny tariny satria efa leo ireo mpitolona. Mbola hifamotoana ao amin'ny Magro hatrany moa ireto mpitolona ireto isaky ny alarobia sy sabotsy araka ny toromariky ny mpitarika.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT