Tsy nahasakana ireo mpitolona tsy hifamotoana tao amin’ny kianja Magro Antsirabe ny fetin’ny Paska mahoraka tao Antsirabe, fa dia mbola tonga maro hatrany ireo mpitolona mpandala ny ara-dalàna ny sabotsy 30 Martsa 2013 lasa teo.
Anisan’ny nambaran’ny CT Didier Radert nandritra ny fandraisany fitenenana fa manao randra-mitarika ny fodian’ny fianakaviana Ravalomanana sy ireo sesitany politika taorian’ny fahatongavan’ny Vadin’ny filoha. Araka ny niaraha-nahalala, hoy hatrany izy dia tonga eto an-tanindrazana ihany koa ny zanaka vavin’ny filoha Ravalomanana na dia mbola saika nilana vaniny aza teny Ivato. Na izany aza dia nambarany sy nohamafisiny fa tsy hiato ny fitakiana ho an’ny fodian’ny filoha Ravalomanana raha tsy tonga izy.
Tsy sahy
Nasiany resaka kely ny tolona nataon’ny Malagasy ny 29 martsa 1947 ka nilazany
fa very hasina izany ankehitriny satria dia ataon’ny sasany fisehosehoana sy fizahozahoana sisa ny fankalazana ary fanindrahindrana teny mihitsy raha tahaka ny nataon’ny lehiben’ny
faritra Vakinankaratra tao Antsirabe, satria toa manandra-tena ho filoham-panjakana koa ny tenany tamin’ilay fiarany nisy sainam-pirenena. Porofo iray fa tanteraka ny teniny nandritra ilay fametrahan’ny FAT azy ka nahadiso vava azy nilaza hoe: “Minisitry ny fanamparam-pahefana”. Izany tokoa no mitranga izao ka manampatra ny fahefany daholo ny mpitondra. Lazaina hatrany ny resaka fitoniana sy fanarahan-dalàna, hoy izy kanefa tsy izay no atao. Maninona no tsy ampiharina marina ny lalàna sy ny tondrozotra ?
Midika izany fa tsy misy ny finiavana hivahan’ny krizy ka tsy maintsy mitabataba ny ankolafy Ravalomanana. Mbola nanamafy io moa ny filohan’ny filankevi-paritra Atoa Rabemizana Solo fa teny fisehosehoana ranofotsiny no nataon-dRajoelina nandritra iny fankalazana ny 29 martsa iny satria tsy sahy nanakiana ny Frantsay izay nanjanaka teto ny tenany fa nosaronany tamin’ny hoe: “ireo mpanjanatany “ fotsiny ny resany. Midika izany fa tsy sahy milaza
ampahibemaso ny ratsy vitan’ny Frantsay izy. Nambarany fa tsy hisy vahaolana sy filaminana izany eto raha tsy mibebaka sy mandini-tena ny tsirairay, indrindra amin’izao fetin’ny paska izao, ary tokony hampiharina amin’ny fo ny fifamelan-keloka, araka ny fanirian’ny FFKM. Fa nisongadina nandritra ity hetsika ity ny tsaho miely momba ny filazana fa ny Pastera Lala Rasendrahasina no kandidan’ny ankolafy Ravalomanana ka nilazan’ny mpitarika fa fomba entina ampiadiana ny Katolika sy ny FJKM indray io mba tsy hisian’ny fitoniana hatrany, ka nilazan’ireo mpitarika ny tsy hidiran’ny kristianina amin’ny vela-pandrika indray.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.