Politique

Magro Antsirabe Tsy manana antoka ho an’ny fifidianana madio


  • Alatsinainy 18 Martsa 2013

Tsy manana antoka ho an’ny fifidianana madio ny mpitolona ao amin’ny kianjan’ny Magro Antsirabe raha ny tranga miseho eto amin’ny firenena no jerena. Nisongadina io nandritra ny lahateny tamin’ny hetsika ny sabotsy 16 martsa teo.

 Raha ny nambaran’ny CT Didier Radert dia mbola ahiahy no betsaka amin’ireo mpitarika ny tolona manerana ny Nosy amin’ny fikarakarana ny fifidianana satria tsy mbola feno ny fepetra ho amin’izany. Tsy azo antoka ny fifidianana madio sy eken’ny rehetra satria amin’izao fotoana dia tsy mbola misy akory ny fanentanana ho an’ny fampiasana ny biletà tokana kanefa voalaza fa ny 75%-n’ny Malagasy dia tsy mahay mamaky teny sy manoratra akory. Amin’ny fomba ahoana no hametrahana ilay fifidianana hoeken’ny rehetra ? Nambaran’ity tompon’andraikitra ity fa tsy ny fifidianana no hamaha ny olana eto Madagasikara. Singa iray ao anatin’ny famahana olana fotsiny io fa ny resaka fampihavanana no tena zava-dehibe mba hivahan’ny olana rehetra nitranga teto amin’ny firenana hatramin’ny fanjanahantany hatramin’izao.

Nohamafisiny fa mialoha ny fifidianana io fampihavanana io mba tsy hifanenjka sy hibahana ny adilahy politika. Foto-kevitra no hovoizina amin’izay fotoana izay satria amin’izao fotoana dia mbola olana ny famahana ny krizy eo amin’ny tafika sy ny teknisianina ambony eto amin’ny firenena. Nasiana resaka ihany koa ny fangatahan’ny mpitandro filaminana vola hiatrehana ny fifidianana ka nilazany fa raha tsy mahazo vola izy ireo dia tsy ho azo antoka ny voka-pifidianana ? Fa nambaran’ny CT Rakotomiandrisoa Jean Ernest ihany koa fa mahalasa saina ny fomba fiasan’ny FFM na Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy amin’izao fotoana. Nilaza izy ireo fa tara ny fotoam-piasany ka ho tara avokoa ny fandinihana ny raharaha sy ny olona tokony homena famotsoran-keloka kanefa dia fampihavanana no tokony ho asan’izy ireo. Voaporofo ankehitriny fa vola no mahamaika ireo olona ireo fa tsy tena fampihavanana. Raha ny fandaharam-potoanany dia tsy hodinihana ato ho ato mihitsy ny famotsoran-keloka satria dia ho ampahany fotsiny no ho vitan’izy ireo. Raha ny toromariky ny SADC dia tokony hahazo amnisitia faobe ny filoha Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina. Noamafisiny moa fa na dia miha antomotra aza ny daty ho fandrotsahana ny filantsahan-kofidiana dia matoky ny filoha Marc Ravalomana hatrany izy ireo fa ho tonga mialoha io fotoana io ny mpitarika azy ireo.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT