Politique

Magro Antsirabe Tsangan-kevitra no hifidianany kandida


  • Talata 23 Aprily 2013

Efa miompana tanteraka amin’ny resaka fifidianana ny fanehoan-kevitra ao an-kianjan’ny Magro Antsirabe isaky ny alarobia sy ny sabotsy hatramin’ny nanambarana ny ho filatsahan-kofidiana an-dRtoa Lalao Ravalomanana Rakotonirainy.

 Efa miomana fatratra amin’ny hampandaniana ity kandidà ity ny mpomba ny ara-dalàna ao Antsirabe amin’izao fotoana. Raha ny sabotsy 20 aprily 2013 teo dia anisan’ny nitondra fanazavana tamin’ireo mpitolona Atoa Frédéric ka nilazany fa “tsy tsangan’olona no hifidianana ny kandidàn’ny ankolafy Ravalomanana fa ny tsangan-keviny amin’ny fampandrosoana efa natombony”, toy ny efa nataon’ny filoha Ravalomanana. Na izany aza dia nanamafy sy nampiomana ny mpitolona ny tenany mba tsy ho taitaitra be ihany satria miovaova isan’andro ny fandehan’ny toe-draharaha ka hafa ny anio ary mety hiova izany ny ampitso. Nasiany resaka ny mahakasika ny fampihavanana izay nataon’ny FFKM ka nilazany fa tokony hivelatra kokoa izany ka ho hita eo raha hahavita azy indray ireo raiamandreny ireo na hitsoaka an-daharana toy ny efa nataony teo aloha.

Toa nanamafy izany ihany koa ny CT Didier Radert ka nilaza fa tokony hatao an-kitsim-po ny fampihavanana ka tsy hisy ny ailikilika raha tiana tokoa ny hivahan’ny krizy. Tokony hihaona mivantana ihany koa ny fototry ny olana teto dia i Andry Rajoelina sy ny filoha Marc Ravalomanana. Na izany aza dia nohamafisiny fa n’inona n’inona ataon’ny FFKM sy ny FFM dia tsy hiala eo an-kianja izy ireo raha tsy tafody ny filoha Marc Ravalomanana, ary nohamafisiny fa anisan’ny takian’izy ireo ny fanasan’ny FFKM ny filoha Marc Ravalomanana amin’ilay dingana manaraka ataon’izy ireo. Fa mahakasika ny resabe aely momba ny filatsahan-kofidian-dRtoa Lalao Ravalomanana dia nambarany mazava fa efa valo volana no nigadona teny Ivato ny vadin’ny filoha ary voatomboka ara-dalàna ny pasipaorony saingy ny FAT no nandroaka azy niala teto. Nampitandrina ny tenany fa hisy raha eto raha toa ka tsipahin’ny fitsarana misahana ny fifidianana ny antontan-taratasin’ity kandidà ity.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT