Politique

Magro Antsirabe Te hanalava ny tetezamita ny FFM sy ny Tafika


  • Alatsinainy 27 Mey 2013

Mafana ny fanehoan-kevitra ao amin’ny kianjan’ny Magro Antsirabe. Ny sabotsy 25 mey teo dia niompana tamin’ny fihetsik’i Andry Rajoelina tato ho ato ny lahateny, indrindra taorian’ilay fiantsoana fihaonana sadasada nataon’ny FFM sy ny Tafika ary ny Komity mpanara-mason’ny fampiharana ny tondrozotra tao amin’ny Carlton iny.

 Nambaran’Atoa Frederick fa voaporofo fa tena olona voairaka marina ireo mpiantso fivoriana ireo mba hamaly hatrany ny hetahetan-dRajoelina hifikitra eo amin’ny fitondrana. Porofo hoy ity mpanao politika avy amin’ny Mafana ity dia ny fangatahan’izy ireo iray volana hamahana ny olana ka ny kajy dia ny hahatapitra ny fivoriana ara-potoana ataon’ny Parlemantera mba hamoahana indray ilay tolo-dalàna hanamafisana ny sezan-dRajoelina iny, satria rehefa tsy mivory ireo mpanao lalàna dia afaka mamoaka izany ho didy hitsivolana ny fiadidiana ny tetezamita ka dia mety mbola hifikitra eo hatrany ry zareo raha toa ka mihemotra araka ny fanirian’izy ireo ny fifidianana.

Mbola nanamafy izany ihany koa ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny Tetezamita, Rakotomiandrisoa Ernest raha nilaza fa tetika hanerena an’i Neny hiala fotsiny no anton’iny fihaonana iny izay nitohy tamin’ny fanerena an-kolaka ny CES hamoaka lisitra vaovao indray. Tian’izy ireo haverina indray ny nitranga teny amin’ny Episcopat Antanimena, hoy Rakotomiandrisoa Ernest ka hetsika am-basy no hanerena ireo kandidà ireo hiala an-daharana. Manoloana izany dia miantso ny FFKM mba handray fepetra hainga ireto mpanao politika ireto mba hanao ny fampihavanana tena izy izay tsy tokony hampihemotra ny fifidianana intsony. Mahakasika ny fifidianana dia efa voaporofo ankehitriny fa ny olon-dRajoelina izao no matahotra fifidianana sy miketrika ny tsy ahatanteraka izany, rehefa mahita fa vonona tanteraka ka atahorana handravarava amin’ny fifidianana ho avy io ny kandidàn’ny ankolafy Ravalomanana.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT