Mafana hatrany ary tsy mahakivy ny mpitolona Antsirabe ny antsojay ataon-dRajoelina amin’ny mpandala ny ara-dalàna.
Raha ny sabotsy teo dia tonga maro hatrany ny mpitolona tao amin’ny kianjan’ny Magro ary liana hatrany amin’ny fivoaran’ny raharaham-pirenena. Ireo nandaha-teny dia nanitrikitrika fa i Andry Rajoelina no fototry ny krizy eto Madagasikara ary sakana amin’ny famahana izany. Tahotra fifidianana, hoy izy ireo, ny an-dRajoelina ka mitady izay fomba hifikirana ela eo amin’io tetezamitany io izy ary faniriany aza ny hitaran’ity tetezamita ity. Tsipaky ny miala aina ny azy, hoy izy ireo, satria efa manomboka miala tsikelikely aminy avokoa ireo mpomba azy ka ho hitan’ny karatra farany eo izy. Nambaran’ireo mpitolona fa hitohy hatrany ny hetsika ary matoky ny vondrona iraisam-pirenena hatrany izy ireo amin’ny fiarahana mamaha ny krizy.
Fa nandritra ity hetsika ity no nanentanan’ny Filoha Ravalomanana ny mpitolona mba hanambatra ny hery hivondrona satria “tsy mbola vita ny tolona”, hoy izy ka ilana ny firaisankinan’ny rehetra izany. Nambarany ihany koa fa mivory any Cape Town - Afrika Atsimo ny Troïka mandinika manokana ny raharaha Madagasikara ka ho hita eo ny vokany. Nanentana ireo mpitolona moa ny mpitarika mba tsy ho tratry ny fandriky ny FAT ka alaim-panahy hikorontana manoloana ireo tranga maro samihafa niseho tato ho ato izay.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.