Nitsangana omaly talata 06 desambra ny «Komitin’ny Fitakiana ny Fampiharana ny Andininy faha-20 amin’ny Tondrozotra», ao Antsirabe izay ivondronan’ireo fikambanana maro mitaky ny ara-dalàna ao amin’ny faritra Vakinankaratra.
Fantatra io nandritra ny tafa ho fampahafantarana nataon’ireo mpitarika tamin’ny mpanao gazety io talata io. Raha ny fanambarana nataon’Atoa Jean François Michel avy ao amin’ny Fokontany Ambalavato, izay mitarika ity Komity ity dia saika mivondrona ao avokoa ireo fikambanana toy ny Rodobe Antsirabe tarihin’Atoa Rakotomamonjy Roland Michel, ny Tanora tarihin’i Hajanirina ary ny SOLVA tarihin’Atoa Rajaonarivony Andriamparany. Anisan’ny antony nijoroan’ity komity ity ny hitaky tsy misy fepetra ireo izay nifanarahana dia ny fampiharana ny tondrozotra toy ny famoahana ireo gadra politika sy ny fanokafana ireo radio nakaton’ny FAT, ary notsipihin’izy ireo manokana ny fampiharana ilay andininy faha-20 dia ny fodian’ny Filoha Marc Ravalomanana tsy misy fepetra. Raha ny fahitan’ireto mpitarika ireto mantsy dia efa tokony ho feno ny fepetra hanatanterahana izany.
Efa mipetraka avokoa ireo rafitra takian’ny tondrozotra ary efa nandefitra ny ankolafy Ravalomanana ka niditra tao anatin’ny rafitra. Raha tiana ny hisian’ny fitoniana eto Madagasikara dia tanteraho ny fampodiana ny Filoha Marc Ravalomanana. Nomarihin’izy ireo koa fa miahiahy ireo mpitarika sasany tafiditra ao amin’ireo andrim-panjakana ireto mpitolona ireto sao dia variana amin’ny asany sy ny sezany ireo mpitarika ka hanadino ny zava-dehibe nitolomana dia ny fodian’ny filoha Ravalomanana.
Hatreto mantsy dia mbola manjavozavo na tena tsy voaresaka tamin’ireo filankevitry ny Minisitra efa vita ny mahakasika ka ity andininy faha-20 ity. Na izany aza dia tsy manohitra ny fidirana ao anatin’ny rafitra akory ry zareo fa ho arofanina hanaitra ireo olona ao anaty fitondrana ireo fotsiny. Hatreto dia tsy mitsahatra manentana ireo vahoaka mpitolona hatrany izy ireo mba ho tonga maro isaky ny alarobia sy sabotsy satria tsy mbola tratra ny tanjona dia ny fodian’ny filoha. Tsy hiato koa ny tolona ao an-kianja raha tsy tanteraka izany. I Andrianarivo Vonjy izay mitarika vonjimaika ny Komity eto an-drenivohitra moa dia miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena, indrindra ny SADC hanome tanana amin’ny hampiharana avy hatrany ny andiny faha-20 voalaza ao amin’ny sori-dalana. Mitaona ny olona hiaraka hisalahy hanatanteraka ny tanjona koa ny tenany. Manoloana ny safotofoto noho ny toe-draharaham-pirenena dia manentana ireo mpiara-mitolona aminy hahay handinika tsara ny lalana tokony hizorana amin’ny tolona izay atao ny tenany, ary nanamafy fa tsy maintsy tanteraka ny faniriana, dia ny fiverenan’ny ny filoha Ravalomanana eto an-tanindrazana sy ny hanohanana azy ho lany filoham-pirenena indray hanohy ny asa fampandrosoana efa natombony.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.