Politique

Magro Antsirabe Nisongadina ny resaka fampihavanana


  • Alatsinainy 20 Febroary 2012

Mafana sy mitohy hatrany ny hetsika ao amin’ny kianjan’ny Magro Avaratsena Antsirabe ny sabotsy 18 febroary lasa teo.

 Nisongadina nandritra ity fihaonana ity ny resaka fihavanana sy fifankatiavana ary fifamelana. Nambaran’ny CT José Randrianantenaina fa anisan’ny hafatry ny filoha Marc Ravalomanana ny mba hamerenana indray ny fifankatiavana sy fifamelana eo amin’ireo samy mpitolona mba hamondronana indray ny hery noho ny fisian’ny fivakisana eo amin’ny samy mpitolona na dia samy zanak’i Dada izao aza. Nanentana ny tenany mba havalona ny disadisa nisy teo aloha noho ny antony samihafa ka nahatonga ny fisintahan’ny sasany toeran-kafa nanohy ny tolona. Nohamafisiny fa tanjona iray no tratrarina dia ny fiverenan’i Dada sy ny fanomanana ny filatsahany hofidina ka tsy tokony hisy aloha ny kajikajy samihafa mialoha izay fodian’i Dada izay. Fa ny CT Ernest Rakotomiandrisoa kosa nandritra ny fandraisany fitenenana dia tsy nanadino nisaotra ny vahoakan’Antsirabe izay tonga nidodododo teny Manjakatompo tamin’ny fanohanana ny zanaky ny filoha Ravalomanana tao an-toerana nandritra ny fotoana saika hidinan’ny DST tany indray.

Nomarihiny fa tena tsy vazivazy tokoa ilay resaky ny mpitolona hoe: “Na tsy hita ao amin’ny Magro aza izahay, sioka tokana fotsiny dia vonona foana”, satria dia vahoaka maro avy ao Antsirabe hatrany no niandry amin’izay mety ho fisehoan-javatra tampoka ao Manjakatompo ary dia mbola mitohy izany. Nambaran’ny CST Lanto Rabenatoandro moa fa hanankarena vaovao ny mpitolona amin’ity faramparan’ny volana ity ka nentaniny mba ho tonga maro hatrany eo an-kianja isaky ny alarobia sy sabotsy.

Caiüs R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT