Velom-panantenana indray ny vahoakan’i Vakinankaratra naheno ny feon’ny filoha Ravalomanana ny sabotsy 16 jona teo tao amin’ny kianjan’ny Magro Avaratsena.
Nambarany tamin’izany fa faly tanteraka ny tenany noho ny firaisankinan’ny ankolafy Ravalomanana niaro ny orinasa Tiko, ka nilazany fa miaiky volana amin’izay fifankatiavan’ny ankolafiny izay ny sehatra iraisam-pirenena. Nambarany ihany koa fa ny sasany dia tsy manana fisainana afa tsy famotehana sy fandravana fananana ihany. Nomarihin’ny filoha Ravalomanana fa tsy izy mihitsy no ho sakana amin’izay fikaroham-bahaolana ho an’ny firenena ary efa vonona tanteraka amin’izay fampihaonana ny tenany na oviana na oviana satria efa sahirana tanteraka sy mijaly ny vahoaka. Nambarany ihany koa fa tanjona ho azy ny famerenana ny tena demokrasia sy ny fahafahana maneho hevitra malalaka eto Madagasikara mba tsy hisian’ny korontana. Fa nandritra ity fihaonana ity moa dia nisongadina ny resaka fampihavanana sy ny firaisankina araka ny toromarik’ireo mpitarika, indrindra fa avy tamin’ny filoha Ravalomanana. Ho porofon’izany dia navitrana tanteraka ny disadisa nisy teo aloha tamin’ireo samy mpitarika.
Nambaran’Atoa Solo Rabemizana, mpandrindra ny tolona ao Antsirabe fa manomboka eto amin’ny samy Zanak’i Dada ny fampihavanana ka hitarina any amin’ny hafa. Nambaran’ity mpitarika ity moa fa anisan’ny paikadin’ny FAT ity fampiadiana ny samy mpitolona ity mba hahafoana ny hetsika saingy tsy tratran’izy ireo izay tanjona izay. Na nisy aza ny disadisa dia nanohana an’i Dada hatrany ny zanany. Nolazainy fa anisan’ny nampivondrona ireto Zanak’i Dada tao Antsirabe ireto ny antsojay nataon’ny FAT tamin’ny zanaky ny filoha sy ny orinasa Tiko satria nifamotoana teny avokoa ireo mpitolona. Fantatra moa fa manomboka izao dia ao amin’ny Magro Avaratsena avokoa ny hetsika rehetra fa tsy hozarazaraina intsony. Akoatra izay, hitohy ny fiambenana ny Tiko Andranomanelatra. Tamin’io fotoana io dia mbola vory lanona tao Antsirabe ireo mpikambana avy ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita avy any amin’ny faritra maro manerana ny Nosy izay manatevina ny fiarovana ny orinasa Tiko.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.