Politique

Magro Antsirabe Niditra kianja ireo Parlemanteran’ny tetezamita


  • Alatsinainy 12 Desambra 2011

Nafana na dia tao anatin’ny oram-be aza ny hetsiky ny Magro Avaratsena Antsirabe ny sabotsy 10 desambra lasa teo.

 Nampiavaka ity hetsika ity ny fahatongavan’ireo Parlemantera Zanak’i Dada avy ao Vaninankaratra, dia ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) Lanto Rabenatoandro sy ireo mpikambana amin’ny Kongresin’ny tetezamita (CT) isany nahitana an’i José Randrianantenaina (Antsirabe II), Ernest Rakotoamiandrisoa (Antsirabe I), ary i Ndrina (Antanifotsy). Tatitry ny fivoriana izay natrehan’izy ireo teto Antananarivo ny herinandro lasa iny moa no tena nisongadina tamin’ity sabotsy ity ka nilazan’ny CST Lanto Rabenatoandro fa na dia mahatsapa fa tsy maro an’isa aza izy ireo ao anivon’ireo andrim-panjakana ireo dia tsy matahotra maneho hevitra. Dia ireny niaraha-nahita ireny ny vokatra fa nikoropaka tanteraka ny olon’ny FAT amin’izao fotoana.

Nentiny nilazana moa izany fa tena ady ary miady no idirana ao anatin’io rafitra io ka any vao tena henjana ny fifandonana, araka ny nolazainy ihany. Tahaka izany ihany koa, hoy izy, no iainan’ireo namana any anivon’ny Kongresin’ny tetezaminta sy ny Governemanta izay samy tsy manana ny maro an’isa avokoa kanefa miha hita tsikelikely ny vokatry ny ady atao ao anatiny raha tsy hilaza afa tsy ny vokatry ny fanapahan-kevitra navoakan’ny CPS/UA farany teo izay milaza sy mitaky tatitra mazava ny ezaka amin’ny fampiharana ny tondrozotra, indrindra fa ilay andininy faha-20 mahakasika ny fodian’ny filoha Ravalomanana. Notsipihiny fa tsy tokony hanana ahiahy intsony ny mpitolona rehetra amin’izao fotoana fa tsy maintsy tafody ny filoha Marc Ravalomanana na inona na inona filazan’ny tariky ny FAT ary ho nofy ho azy izany fahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena izany raha tsy i Dada no tonga eto Madagasikara. Horakora-pifaliana tanteraka moa no nisaoran’ny vahoaka ireto Parlemanteran’ny tetezamita ireto ho fanohanana ny ezaka ataon’izy ireo any ambony any ary dia nohamafisina fa dia tsy hiato mihitsy ny tolona raha tsy efa tonga eto Madagasikara ny filoha Marc Ravalomanana.

Caïus R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT