Nibahan-toerana nandritra ny hetsiky ny mpitolona tao amin’ny kianjan’ny Magro Avaratsena Antsirabe, omaly alarobia 17 aprily, ny famaliana ny fanontaniana mibosesika tamin’ireo mpitolona momba ny firotsahan-dRtoa Lalao Ravalomanana.
Raha ny fanazavana nomen’ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, ny CT Radert Didier, tsy misy volo manoha randrana ao Vakinankaratra. Fanapahan-kevitra olon-kendry no noraisin’ny filoha Ravalomanana satria amin’izao fotoana dia i Neny no azo antoka fa afaka hampivondrona indray ny herin’ny Tiako I Madagasikara sy ny ankolafy Ravalomanana izay fanapahan-kevitra matotra sy goavana ary lalana sahady ho an’ny tena fandresena.
Amin’izao fotoana, hoy ny CT Radert Didier, dia efa hiaraha-mahita fa efa maro amin’ireo nisintaka teo aloha no miverina ao amin’ny ankolafy, satria efa nahatsapa tena fa diso lalana ka ny tanjona araka ny hafatry ny filoha Ravalomanana dia ny fifamelana sy fanambarana indray ny hery, izay mifanohitra tanteraka amin’ny ataon’ny mpanohana an-dRajoelina amin’izao fotoana. Nanentana hatrany ny mpitolona hivondrona sy hihavana manomboka izao ireo mpitarika ary samy hivonona amin’ny fampielezan-kevitra ho fampandaniana an-dRtoa Lalao Ravalomanana
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.