Politique

Magro Antsirabe Nankasitraka ny fanapahan-kevitr’Atoa Beriziky


  • Alatsinainy 21 Novambra 2011

Nafana tanteraka ary mahazo aina hatrany ny hetsika ao amin’ny kianjan’ny Magro Avaratsena Antsirabe.

 Ny sabotsy 19 novambra teo moa dia ny Fokontany Atsimontsena indray no nanentana ny tolona ka endrika hafa mihitsy no nataon’Atoa Randrianarison Olivier sy ny ekipany tamin’izany, toy ny fitondrana mpanao vakodrazana sy tanora mpanakanto avy ao amin’ny fokontaniny ihany. Nisongadina nandritra ny hetsika ny tsy nahatafatsangana ny Governemantan’i Omer Beriziky ka nilazan’ireo mpandahateny fa miseho ny maha olo-kendry azy mankato ny ao anatin’ny tondrozotra amin’ny fanendrena ireo minisitra. Rehefa nandà ny ankolafy mpanohitra dia miandry izy na dia eo aza ny tsindry mafy ataon-dRajoelina.

Nohamafisin’ireo mpitarika fa Rajoelina no mampikatso ny firenena ao anaty krizy amin’izao fotoana satria tsy tiany hitsikafona ao anatin’ilay fiaraha-mitantana ireo tsy nety rehetra tao anatin’izay roa taona sy tapany nitondrany izay, rehefa raisin’ny olona ireo ministera. Araka izany dia mankahery ireo mpitarika ny mpitolona ao Antsirabe mba tsy hihemotra amin’ny zava-mitranga. Ny zava-misy dia mitarika tsikelikely amin’ny fialan-dRajoelina ao anatin’ity tetezamita ity ihany. Tsy nisy zavatra tsara nentin’izao fanovana dradradradrain’ny FAT izao, hoy ireo mpitarika satria dia iaraha-mahita ny fahapotehana samihafa mitranga, ny delestazy ao Antsirabe amin’izao fotoana, ny fiakaran’ny vidim-bary sy ireo maro hafa tsy voatanisa. Na teo aza moa ny orana dia tsy niato ny hetsika ary mbola nohamafisin’ireo mpitarika hatrany fa tsy hiato ny tolona raha tsy efa tonga eto Madagasikara ny filoha Ravalomanana.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT