Politique

Magro Antsirabe Nanamafy ny fampiharana ny tondrozotra


  • Alatsinainy 19 Desambra 2011

Nafana hatrany ary niavaka indray ny hetsik’ireo mpanohana ny ara-dalàna ao amin’ny Magro Antsirabe ny sabotsy 17 desambra teo.

 Ankoatra ireo mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita avy ao Vakinankaratra dia nisy ireo vahiny, solontenan’ny ankolafy Ravalomanana avy any amin’ny faritr’i Melaky, SAVA, DIANA, ary Atsimo Andrefana, tonga nanafana ny hetsika tao Antsirabe. Ireo izay nandray fitenenana, dia samy nanamafy fa any amin’i Dada ny lakilen’ny famahana ny krizy eto Madagasikara ka takiana ny tsy maintsy hampiharana ny fampodiana azy. “Ampiharina tsy misy fepetra ny andininy faha-20 hiverenan’ireo sesitany politika rehetra eto an-tanindrazana, ary izay tena zanak’i Dada dia tsy maintsy hanao sy manao izay hampodiana azy haingana”, hoy ny iray tamin’ireo solontenam-paritany raha nandray fitenenana. Fantatra ihany koa fa misy ny fanangonan-tsonia ataon’reo tomponandraikitra amin’izao fotoana izao, mba hitakiana ny fampiharana ny andiny faha-20 voalazan’ny tondrozotra, sy ny famelàna malalaka an’Atoa Marc Ravalomanana hilatsaka hofidiana amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo.

Tsy iresahana antoko politika, hoy ny mpikarakara fa ny vahoaka mihitsy no entanina amin’izany. Tsy hijanona hatreo moa io hetsika fanangonan-tsonia io fa ezahina haparitaka eran’i Madagasikara mihitsy, ary kasaina halefa any amin’ireo tompon’andraikitra ambony, toy ny Primatiora sy ny ambasady maro samihafa. Ankoatra izay, dia vonona hitana ny teny nomeny ihany koa ny avy ao amin’ny hetsiky ny tanora Magro Antsirabe amin’ny fijoroan’izy ireo hamerina ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana sy hiaro ny ainy sy ny fananany raha ilaina izany.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT