Zary nafana indray ny Kianjan’ny Magro Avaratsena omaly alarobia 25 janoary 2012 teo.
Tsy nahakivy ireo mpitolona ny tsy nahatongavan’ny filoha Ravalomanana ny sabotsy lasa teo satria dia fantatry ny olona fa vokatry ny antsojay nataon’ny tarik’I Andry Rajoelina no tsy nahatongavan’ny filoha io sabotsy io. Ankoatra ny tatitra tamin’ny vahoaka ny fandehan’ny fitsenana ny filoha teny Ivato ny 21 janoary teo dia nafana indray ny fanehoan-kevitra tao an-kianja. Ireo nandray fitenenana moa dia nanamarika fa ho tapitra hatreo ny fanjakazakan-dRajoelina. Ny hiafarany dia tsy tafiditra ao anatin’ny tetezamita intsony izy satria ny tondrozotra ihany no mametraka azy ho filoha ka rehefa tsy tanterahiny io tondrozotra io dia miala no mety aminy. Mbola nohamafisin’i Jean François Michel fa tanjona manomboka izao ny fanalana an-dRajoelina tanteraka ao ary hametrahana tetezamita vaovao hirosoana amin’ny fifidianana tena madio.
Nambarany ihany koa fa tsy mahefa ny hitsara ny filoha Ravalomanana ny fitsarana misy amin’izao fotoana amin’ny maha filoham-pirenena voafidim-bahoaka azy, fa tokony hiditra an-kalalahana eto Madagasikara tahaka an’i Pierrot Rajaonarivelo sy Tantely Andrianarivo ary ny amiraly Ratsiraka ihany koa ny filoha Ravalomanana. Raha vono olona no hanenjehana azy, hoy ihany ity mpitarika ity, dia nisy olona namono olona betsaka lavitra noho izy teto kanefa niditra nalalaka ary lasa mpitondra amin’izao fotoana kanefa dia voatsara ary tsy nahazo famotsoran-keloka akory. Ravalomanana no atahorana amin’ny fifidianana dia hitadiavana olana hatrany. Nambaran’i Jean François Michel moa fa efa niala any sahady koa ny fandrahonana azy tsy hihetsika taorian’iny fitsenana an’i Dada iny. Tsy hampihemotra ny tolona izany, hoy izy.
Atoa Frédéric avy ao amin’ny MFM moa dia nilaza fa mila famotsoran-keloka faobe avokoa ny mpanao politika amin’izao fotoana, satria tsy misy madio afa-tsy i Dada. Amin’izay samy ho afaka hilatsaka hofidiana avokoa mba samy hotsarain’ny vahoaka. Raha mikasika ny filoha Ravalomanana dia ireny efa niaraha-nahita ireny ny olona tonga nitsena azy teny Ivato. Raha ny olona tia azy any amin’ny fokontany rehetra any angamba dia ho 90% ny vatony amin’ny fifidianana. Nohamafisin’i lanto Rabenatoandro moa fa dia tsy hiato ny tolona manomboka izao raha tsy tonga eto Madagasikara ny filoha Ravalomanana. Voaporofon’ny olona fa tsy nanatrika ny fivorian’ny parlemanta any Antananarivo ireo mpikambana avy amin’ny ankolafy Ravalomanana satria tonga teny amin’ny Magro avokoa izy ireo omaly alarobia.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.