Hafana tanteraka indray ny kianjan’ny Magro Avaratsena Antsirabe rahampitso sabotsy 24 septambra.
Taorian’ireo vondrona sy fikambanana samihafa nifandimby nanentana tao dia fantatra fa ny olomboafidy sy ny Parlemantera indray no tompon’ny fotoana amin’io. Ho avy, araka izany, ireo mpitolona avy amin’ireo distrika manodidina hanotrona ity hetsika ity. Hisy delegasiona mafonja avy aty Antananarivo koa ho avy hanatevin-daharana sy hitondra fanazavana mahakasika ny tondrozotra natao sonia farany teo satria ankehitriny dia betsaka ireo mandrirotra ity resaka ity, indrindra mikasika ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana. Ho an’ireo parlemantera ao Vakinankaratra, dia tsy miova ny fomba fiadin’ny FAT fa mihevitra hatrany ny vahoaka Malagasy ho zaza hatrany amin’ny alalan’ny fandemen-tsaina ny Malagasy amina hevitra kitoatoa hatrany ary mikotrika korontana sy savorovoro mba ahafahana misambotra ny filoha Ravalomanana tsy hahafahany hilatsaka hofidiana satria mahatsapa tanteraka fa mbola ao amin’ny fon’ny Malagasy ny fitiavan’ny vahoaka ity filoha naongan’ny FAT ity.
Caïus R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.