Politique

Magro Antsirabe Mitaky ny hitsarana an’i Andry Rajoelina


  • Talata 10 Aprily 2012

Na dia tao anatin’ny herinandro masina aza dia tsy nahasakana ireo vahoaka mpitolona tsy hihaona tao amin’ny kianjan’ny Magro Avaratsena ny fankalazana ny fetin’ny Paka fa dia tonga ihany ny olona liana fatratra ny fivoaran’ny resaka mahakasika ny fivoriana tsy ara-potoana nataon’ireo Parlemateran’ny tetezamita.

 Nibahan-toerana mihitsy moa ny manodidina ny resaka amnistia izay miteraka resabe etsy sy eroa mihitsy amin’izao fotoana. Raha ny lahateny nataon’ireo mpitarika dia nankahery ireo mpitolona tamin’ny ankapobeny ka nampatsiahy fa nandritra izay telo taona nitolomana izay dia hita hatrany ny vokatry ny tolona satria hatreto dia tsy mbola nisy firenena nankato izao fitondrana izao hatrany raha tsy tanteraka ny nifanarahana. Nambaran-dRabemizana ihany koa fa raha ny lalàna iraisam-pirenena dia tsy misy tokony hahakivy ny olona momba ny amnistia. Misy mantsy ny komity tokony hitsangana handinika ny momba ireo voakasika amin’ny resaka hitsarana ny filoha Marc Ravalomanana fa ny fitsarana natsangan’ny FAT dia tsy mahefa hitsara azy mihitsy. Akoatra izay dia nolazainy ihany koa fa tokony handalo izay fitsarana izay koa i Andry Rajoelina noho ny fitarihiny olona hihanika ny lapam-panjakana, izy aza no tena mila izay amnistia izay. Raha ny fanazavana nentin’ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, Randrianantenaina José, dia ny andininy faha-16 ao amin’ny tondrozotra, izay efa lalàna amin’izao fotoana, dia efa anisan’ny manafoana ny fanenjehana ny filoha Marc Ravalomanana na dia tsy mila izany famotsoran-keloka izany aza izy.

Tokony ho mailo fotsiny ny mpitolona, hoy ihany izy, fa ny fampirisihina antsika hiala ny tondrozotra no tadiavin’ireo mba hahafoana izany ka ny ho folo taona aza izy dia hijanona eo amin’ny tetezamita hatrany aorian’izay. Dikan’izany dia tsy miala isika fa miato aloha ka ho hita eo ny tohiny. Raha tsahivina, hoy izy, ny tantara dia nisy ny vono olona nitranga nandritra ny hetsi-bahoaka maro nitranga teto amin’ny firenena, toy ny tamin’ny taona 1971, 1975, 1992, sy ireo hafa saingy rehefa fitoniana no katsahina hahafahana mampandroso dia nampiasaina izay amnistia izay, ary nohamafisiny fa tsy ireo CST sy CT avy amin’ny ankolafy Ravalomanana no mila izany fa ireo mpanohana ny FAT ihany. Nohamafisin-dRandrianantenaina José moa fa raha tsy tonga ireo manampahaizana manokana iraky ny SADC tsy hifidy io lalàna io ny ankolafy Ravalomanana. Angatahiny moa ny hilatsahan’i Andry Rajoelina ho kandida filoham-pirenena hifaninana amin’ny filoha Marc Ravalomanana mba hotsarain’ny vahoaka marina izay maminy amin’izy ireo.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT