Nafanafana ny fanehoan-kevitra ary niakatrakatra ny feo tao amin’ny kianjan’ny Magro Antsirabe ny sabotsy 23 martsa lasa teo. Ireo izay nandray fitenenana dia samy namatrapatratra ka anisan’ny lasibatra tamin’izany indray ny ambasadaoro frantsay miasa sy monina eto Madagasikara, François Goldblatt.
Nambaran’i Haja na i Pôta avy amin’ny hetsiky ny tanora fa manamafy ny fangatahana ny fandroahana ity ambasadaoro ity hiala eto Madagasikara izy ireo ka nisy avy hatrany ny fanangonan-tsonia nataon’izy ireo niaraka tamin’ny mpitolona tao an-kianja io sabotsy io. Nohamafisiny fa tsy rariny raha ny vahiny indray no misakana ny fodian’ny Malagasy eto amin’ny taniny, ary manaporofo fa sakana ho an’ny fanatanterahana ny tondrozotra ny Frantsay amin’izao fotoana. Nanamafy ny fitakiana ny fampiharana ny tondrozotra koa izy ireo, indrindra ny andininy faha-20 miantoka ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana tsy misy fepetra eto Madagasikara satria tsy hisy fifidianana ho vanona izany raha tsy tonga eto araka ny tondrozotra ny filoha, ary tsy hisy lanjany izay voka-pifidianana eo raha tsy misy fandraisan’anjaran’ny ankolafy Ravalomanana.
Ao amin’ny heriny
Mbola nanamafy izany moa ny CT Rakotoamiandrisoa Jean Ernest raha nandray fitenenana. Nentaniny ny mpitolona rehetra mba hanara-maso ny lisi-pifidianana dieny izao satria ho porofoina amin’izao tontolo izao fa aty amintsika ny hery ka rehefa tsy mandray anjara isika dia tsy hisy lanjany izay voka-pifidianana eo. Nambarany tamin’izany fa marina ny voalazan-dRajoelina fa tsy misy kandidà mahazo vato mihoatra ny 12% izany tokoa ireo milaza hilatsaka ireo ary tsy afaka hifaninana amin’izay kandidà atolotry ny ankolafy Ravalomanana mihitsy ireo. Fa nasiany resaka kely ny momba ireo sefom-pokontany ao Antsirabe nentina nitsangantsangana tany Manakara ka nilazany fa ho very vola fotsiny izay nitondra ireny tany satria ny vahoaka maro an’isa no mandatsa-bato fa tsy ny sefom-pokontany akory.
Fa ny CT Randrianantenaina José dia nanamafy fa nahomby ny tolona natao nandritra izay efa-taona izay matoa tsy mbola nisy fankatoavana iraisam-pirenena azon’ny FAT ary tsy mbola afaka ny sazin’izy ireo hatramin’izao. Midika izany, hoy izy fa matanjaka sy ao amin’ny heriny tsara ny ankolafy Ravalomanana. Ny FAT dia miady an-trano sy mifamingana sahady kanefa vao fifidianana izay ho kandidà aza tsy mbola vitany akory, dia efa mandeha ny fingampingana isan-karazany eo amin’izy samy izy, ary vao mahita ny ankolafy Ravalomanana mitety faritra dia mangorovitsika tanteraka. Nohamafisiny hatrany fa tsy mandà ny fifidianana isika fa kosa mitaky ny fampiharana izay nosoniavina dia ny fanatanterahana ny tondrozotra isan’andininy. Nentaniny moa ny olona tsy ho taitra amin’izay tombana maro samihafa lazain’ny gazety ny amin’izay ho kandidàn’ny ankolafy Ravalomanana fa rehefa tonga ny fotoanany dia ho fantatry ny maro ihany izany ka ny filoha Marc Ravalomanana mihitsy no hanambara.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.