Horakora-pifaliana no nandraisan’ny mponina Antsirabe tonga tao amin’ny kianjan’ny Magro Avaratsena ny tolak’andron’ny alarobia 08 mey 2013 lasa teo nandre ny laharan’i Neny nandritra ilay antsapaka nataon’ny CENI-T mikasika ny fandaharana ireo kandida filoham-pirenena ao amin’ilay biletà tokana. Nambaran’ireo mpitolona marobe fa hafa tokoa ny fihevitry ny tsy tia, ary hafa ny fandaharan’Andriamanitra. Tsy misy adihevitra hoy ireo mpitolona fa dia ny fandatsaham-bato no sisa hatao amin’ny 24 jolay, fa dia ho vitan’i Neny amin’ny «1er Tour», io. Na izany aza dia nanentana hatrany ny mpitolona ho mailo ireo mpitarika satria tsy mbola vita ny ady fa vao hanomboka ka ilana fahamalinana. Nalai-nisaraka tanteraka moa ny mpitolona tamin’io Alarobia hariva io nohon’ny hafaliana be loatra. Ny sabotsy izao dia fantatra fa hiavaka ny hetsika ao amin’ny Magro Antsirabe.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.